Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;
mitohy 15 andro ny fepetra manokana fahamehana ara-pahasalamana.Koa noho izany mbola mikatona avokoa ireto toerana manaraka ireto :sekoly , oniversite, fiangonana, trano fandihizana , karaoke, toeram-pilanonana sy izay toerana rehetra mety hitarika fivoriana na fitangoronana.Raràna ny fivoriana na fitangoronana misy olona mihoatra ny 50, tahaka ny fetim-pianakaviana ohatra…mitohy ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina.Avela hamonjy fodiana kosa anefa ireo olona tavela eto an-drenivohitra tokony ho any amin’ny faritra na any amin’ny faritra ka handeha aty an-drenivohitra.Afaka mamonjy ny toeram-piantsonana misy sy miasa izy ireo manomboka ny talata 7 ka hatramin’ny alakamisy 9 aprily amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro.Tsy maintsy manao aro vava ary manasa tanana matetika, misy ny fitaovana apetraka hanatanterahana izany.Hiverina ao anatina fotona voafetra ihany koa dia ny tala 7 ka hatramin’ny alakamisy 9 aprily ny zotram-piaramanidina anatiny mampitohy an’Antananarivo amin’i Mahajanga, Tolagnaro, Toliara, Nosy be, Morondava, Antsiranana. 72 ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara ankehitriny, fa ny 2 kosa no efa sitrana. 32 vehivavy, 40 lehilahy, ka 51 avy any ivelany, ary ny 21 dia vokatry ny fifampikasohana. 4 any Fianarantsoa, 2 any Lalangina, 10 eto Antananarivo, 10 any Toamasina.
Tsy maintsy manao aro vava
Niha mafy kosa ny fepetra ampiharina ho an’Analamanga, Matsiatra ambony ary Atsinanana izay faritra 3 ahitana ireo mararin’ny Coronavirus.Mbola tsy miasa ny fitateram-bahoaka rehetra : taksibrosy, taksi, taksibe, afaka mandeha kosa ireo fiara mitondra entana,Apetraka ny sakana ara-pahasalamana.Mijanona ao an-trano ny olombelona rehetra, tsy maintsy manao aro vava kosa ireo izay tsy maintsy mivoaka ny trano noho ny antony manokana sy tena tsy azo hanoharana. Entanina ireo izay misy soritr’aretina rehetra hanantona ny toeram-pitsaboana. Hampitomboina ny toeram-panasana tànana.
Komity Loharano
Nambaran’ny filoham-pirenena omaly fa hapetraka eny amin’ny Fokontany ny Komity “Loharano” handrindra ny fizarana ny vatsy hatolotry ny fanjakana eny anivon’ny fiarahamonina. Miainga eny ny lamin’asa hoentina miady amin’ny aretina sy hahafahana mametraka ny rindra sy lamim-piarahamonina vaovao. Ahitana olona 6 isaky ny secteur eny amin’ny fokontany izy ity. Olona marina sy mahitsy eny anivon’ny fokontany no ilaina. Hiarahana mametraka amin’ny ben’ny tanàna, lehiben’ny distrika, ny sefo fokontany io.Hatramin’ny 19 aprily izao no mihatra ireo fepetra rehetra notanisaina ireo. Miatrika ady lehibe sy fahavalo tsy hita maso isika izao ,hoy ny filoha Rajoelina, fahavalo izay loza avo 100 heny noho ny rivodoza koa tsy maintsy mailo sy hentitra ka izany no nandraisana ireo fepetra rehetra ireo ho fiarovana ny aina.
Toky R sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.