Politique

Mitalaho amin’ny Filoha renin’i Berija “Mba vahao io fanaparam-pahefana natao an-janako io”


  • Alakamisy 21 Aprily 2022

Nahavita ny antsasaky ny sazy izay famonoana tanteraka ny hoavin-janako ny zanako, Berija Ravelomanantsoa, hoy omaly ny reniny, Elia Razafindrazafy,

satria 24 volana no azony tamin’ny fanehoan-kevitra nataony tamin’ny Facebook. 12 volana izay no vita, hoy ity reniny ity. Manana zo hiasa ety ivelany ny voafonja rehefa avy nahavita atsasaka sazy ary maro no efa nisitraka izany. Tsy namono olona, tsy nangalatra, tsy nanodinkodina volam-panjakana ny zanako. Tokony mba hisitraka ny zon’ny voafonja maro izy aminay fianakaviana. Tadidintsika fa tamin’ny fiatombohan’ny Covid teto dia nilaza andriamatoa Philippe René fa izay mihinana ilay tambavy CVO dia voaaro na “immunisé”. Nahitsin’ny zanako fa ny vita vakisiny ihany no voaaro. Teo koa ny resaka fitsaboan-tena tany ivelany na EVASAN satria minisitra miisa 2 no nanao izany tany La Reunion. Ny vahoaka, hoy izy tamin’izay, efa sahirana ary ianareo tamin’ny tetezamita efa nanao hopitaly manara-penitra ho anay. Efa tsy tokony hisy ho any ivelany intsony fa mandany volam-panjakana. Nanao fitsipahana didy na “cassation” moa izahay saingy miandry hatramin’izao. Mitalaho aminao aho andriamatoa minisitry ny fitsarana mba hijery sy araho maso ny fangatahanay mba tsy hisian’ny tsindritsindry intsony. Nilaza moa ny minisitry ny fitsarana teo aloha fa tsy misy gadra politika eto Madagasikara. Malahelo sy ontsa izahay fianakaviana manoloana izany satria raha tena izany tokoa ve no misy eto Madagasikara dia ahoana izany ny fanehoan-kevitra tanaty Facebook nahazoana sazy mavesatra be tahaka itony? Nangataka fampiasana azy anaty birao anatiny fotsiny izahay. Tsy nahazo. Nangataka ny hifindrany tao Maputo. Tsy nahazo nefa izy marary fa sempotra anatina efitra kely iray misy gadra efa 60 isa mahery. Nolavina ny fanenan-tsazy nefa efa voasonia ny fiaikena na “desistement”. Milela-paladia aminao aho andriamatoa filoham-pirenena mivady, mba vahao io fanaparam-pahefana natao an-janako io, hoy hatrany ny tenany, satria dia nanao sorona ny ainy ny zanako iverenanao amin’izao toeranao izao. Tsy mba efa ampy ve izay fijaliany tany am-ponja izay, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT