Politique

Miseho ny fambara rehetra Mety hirefotra avy ao anatiny ny Fanjakana


  • Talata 08 Febroary 2022

Ny Firenena sy ny raharaham-panjakana tsy voafehy, ny asa mitombo noho ny loza voajanahary, ny governemanta misy olona mifamely mivantana sy ankolalaka, ny tsiambaratelom-panjakana mivoaka,

ny minisitra efa tsy voafehy ny sasany,... Ny Filoha moa toa efa any amin'izay hampalazana tena no hihazakazahana sanatria mety tsy mahabaiko intsony ny olom-peheziny. Navoakan'ny olona iray notorian'ny Fanjakana, ohatra, fa hoe ny Praiminisitra no tena nanitrikitrika ny handetehana azy fa tsy ny Filoha. Toa efa nofafana moa io hafatra io. Miporitsaka amin'ny heverina ho olon-tsotra avy aty ivelany anefa ny raharaha. Misy minisitra voatonontonona amina afera goavana indray izay tsy azontsika hamarinina hoe marina na diso, fa kosa tokony hanokafan'ny BIANCO (Biraom-pirenena misahana ny ady amin'ny kolikoly), SAMIFIN (Sampan-draharaha miantsoroka ny famotsiam-bola), ny CSI (Komity natao hitandro ny fahamendrehana),... hatrany amin'ny Fitsarana Ambony na HCJ,... saingy ny mahagaga, dia ny serasera sy porofo toa tsy misy lanja ara-panjakana no navoaka haingana, ary mihazakazaka be ny fiarovana ilay minisitra amin'ny tambajotran-tserasera satria ny mpandrefotra ihany koa manao ny ataony. Ny mahagaga, ilay olona notorian'ny Fanjakana sy ireo mpiara-dia aminy no miaro ilay minisitra. Ny olon-tsotra no tafiditra ao anaty vilanin'ny Fanjakana sa ny olona ao anaty Fanjakana no miantso hoe: ampio fa mafy ity? Rehefa ny Olom-panjakana goavana na Fanjakana na andrim-panjakana no tsy maharo tena dia hafahafa ny toe-javatra. Ilay minisitra tratry ny henjika io ihany koa anefa misy siosion-dresaka milaza fa tsara toerana indrindra hasondrotra ho Praiminisitra. Mety ho fifaminganana noho izany ve ny zava-misy? Raharaha goavana iny ka nivalaparana kely, fa mbola zavatra hafa ihany dia maty hasina ilay Fanjakana raha tarafina amin'ilay horonam-peon'ny Minisitry ny raharaham-bahiny nahenoana teny ratsy variraraka teny mamoafady hoe: "izaho andriana, ialahy andevo". Lasa fitantanana jiolahim-boto tsy misy etika ve matoa nangina ny Fanjakana manontolo kanefa mpanome lesona mikasika ny Soatoavina Malagasy sa an-tendro-molotra fotsiny? Dia tsy nisy na tamingana Olom-panjakana afaka nampanaovina fialan-tsiny amin'ny anaran'ny Fanjakana na tsy ilay olona mivantana aza ve fa hoe: ny Lehibe tsy mba meloka? Samy manao izay reviny izany eto, betsaka no efa mihevi-tena ho tompon'ny lakile ka tsy azo hontsonina eo,... ohatra iray hafa, toy ny fananan'olona mivady ny minisitera iray satria misy Ofisim-pirenena, ohatra, notsoahina ny tompon'andraikitra napetraky mpisehatra fa tsy metimety amin'ny minisitra, dia ilay vadina minisitra no minantsanantsana any anaty tambajotran-tserasera. Tsy hohitarina lava intsony ny hoe: minisitra anaty minisitera iray sy mpiara-miasa aminy tsy mifankahazo fa mifanao ankolafy (Minisiteran'ny tontolo iainana, Minisiteran'ny Angovo sy ny akoran'afo,...). Izany ve no atao hoe fitantanana raharaharam-panjakana manara-penitra? Firenena iza no handroso amin'izany na afaka 60 taona aza? Mariky faharavam-panjakana izany rehetra izany izay vao ampahany, ary raha tsy mailo fa mbola hiompy varatra noho ny hena-maso na tahotra ny Filoha dia ireo ihany no hifandrefotra ao, hitosaka any aminy ny rihitra rehetra.

Nilaza ho mahatoky ny mpanao fanadihadiana ny minisitra am-perinasa iray, ary taratasy vonjimaika no naseho tamin'ny tambajotran-tserasera, ary izahay tsy miasa amin'ny tambajotran-tserasera. "Tsy mieritreritra haka ny toeran'ny Praiminisitra aho ary ny Praiminisitra rahateo no nanendry anay. Tsy nanana eritreritra afa-tsy ny minisitera tantaniko Aho", hoy izy
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT