Politique

Misavoritaka ny Fanjakana Ho rava tsy ho ela ny governemanta...


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Misavoritaka ambony ambany ny samy mpitondra. Miha miakatra ny maripana, ary tsy ny any amin’ny fanoherana no loharan'ny savorovoro fa ny samy ao anatiny no mifamely.

Tsy takona hafenina io eo amin’ny fifandraisan’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta sasany. Efa tapa-bolana lasa izay no nitaterantsika teto momba ny fisiana siosion-dresaka mety hanoloana ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta sy ny mpikambana mandrafitra izany. Tamin'izany no efa naharenesana fa mety hiova mialohan'ny 10 jolay ny Praiminisitra na ny mpikambana sasany ao anatin'ny governemanta. Voalazana famoaham-baovao iray omaly, araka ny loharanom-baovaon'izy ireo fa noraisina tao Ambohitsorohitra omaly Atoa José Vianey iray amin'ireo anarana re siosio fa mety hatao Praiminisitra, ka i Vatican no voalaza fa hery manosika na manao "lobbying" ho azy. Anarana hafa mandeha ihany koa ny an'Atoa Paul Rafanoharana manamboninahitra Frantsay taloha ary efa Mpanolontsaina ara-diplaomatikan'ny Filoha ankehitriny tamin'ny tetezamita. Eo ihany koa ny anaran'Atoa Haja Resampa Sekretera Jeneralin'ny Fiadidian'ny Repoblika tamin'ny tetezamita, ary isan'ny anarana natolotry ny Mapar taorian'ny fahalanian'Atoa Hery Rajaonarimampianina ny taona 2014.
TSY MAINTSY HISY MINISITRA H ESORINA...
Mandeha ankehitriny ny fanangonan-tsonian'ny depiote hoenti-manongana minisitra maromaro tsy nanaja depiote tamin'ny fihaonan'ny Solombavambahoaka sy ny governemanta. Hatramin'ny nanendrena azy taorian'ny tolon'ny depiote 73 ihany koa no efa tsy levon'ny vavonin'ny MAPAR ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy ny Iraisam-pirenena no nanosika azy. Asa na hanao ahoana ny hiafarany ?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT