Politique

Ministeran’ny Kolontsaina


  • Alarobia 18 Novambra 2020

“Tsisy hidiranay ny artista sy famoriam-bahoaka etsy sy eroa”

 

 

Namoaka fanambarana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK)eo anatrehan’ny resaka mandeha sy ny adihevitra samihafa momba ny fampisehoana ara-javakanto hamoriana vahoaka etsy sy eroa. Tsy eo anivon’ny MSK velively no hakana ny fahazoan-dàlana hanao ny hetsika ara-kolontsaina, hoy ny fanambarana. Tsy manana fahefahana ihany koa ny Minisitera handrara na hanafoana hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara, ary tsy niankina velively taminy ny fahazoan-dàlana nampidirana mpanakanto vahiny teto Madagasikara sy nikarakarana fampisehoana nataon’ity farany. Na tsy nivantana aza ny MSK, dia ilay mpanakanto Afrikanina Tatsimo Zikode Nacembo no tiany hambara eto. Nilaza ny MSK fa ny tompon’andraikitra eny aniv’ony vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana any amin’ny faritra isian’ilay hetsika ireny ihany no hany manana fahefana hanome na hanafoana izany fahazoan-dàlana izany. Natao io fanambarana io mba hialana amin’ny savorovoron-kevitra mahakasika ny fangatahana fahazoan-dalana hanao hetsika ara-kolontsaina sy ny zava-kanto ataon’ireo mpikarakaraka isan-karazany, hoy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny alalan’ny tataratasy nosoniavin’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina Razafiarison Francis Alexandre na Francis Turbo no ahalalan’ny maro azy. Ho vitavita ho azy sy mandeha ho azy ve ny fampidirana mpanakanto vahiny raha sanatria lasa mampihombo ny valanaretina? Aiza ilay lalàna sy fampanajana fepetra nodradradradraina ?

  MIZANA TSINDRIAN’ILA

Tsiahivina fa nampitaraina ny mpanakanto samihafa ny mizana tsindrian’ila tamin’ny sakantsakana ho an’ny mpanakanto Malagasy kanefa ny vahiny nampidirina. Isan’izany i Big MJ izay efa feno ny fandaharam-potoana nanomboka ny 31 oktobra hatramin’ny 31 desambra, izay misy ny efa voatery nofoanana. Re ihany koa amin’izao fotoana izao, fa hatreto dia foana ny “Festival Sorogno” tokony hatao ny 20-22 novambra, ary ny alatsinainy teo no nanao fialan-tsiny ny mpikarakara ary naneho fa noho ny antony samihafa, izay tsy niankina tamin’izy ireo. Mpanakanto maro no tokony handray anjara amin’io: Black Nadia, Jazy MMC, Djino, Joby Lelahy, Sanga Love, Wendy Cathalina, Lico Kininike.

]Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT