Misavorovoro indray ny ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana. Nampiaka-peo omaly ny solontenan’ny mpiasa ka nitaky ny hanendrena faran’izay haingana ny minisitry ny tontolo iainana mba hahafahana mandamina ny fomba fiasa ao amin’ity ministera ity.
Nambaran’izy ireo fa hatramin’ny 15 aprily 2012 nanesorana ny Dr Joseph Randriamiandrisoa dia misy ekipa telo mitantana sy mibaiko eny Antsahavola eny, dia ny ekipan’ny minisitra teo aloha, ny solontenan’ny praiminisitra ary ny sekretera jeneralin’ny ministera sy ny ekipany. Tsy fantatry ny mpiasa intsony ny zavatra tokony hatao satria samy manome baiko ireo ekipa telo ireo. Tsy mahagaga, hoy ihany ireto solontenan’ny mpiasa ireto raha tsy mandeha amin’izay laoniny ny asa ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana ka izay no anton’izao fanairana ny mpitondra fanjakana izao mba hanendry minisitra vaovao, iray mba hahafahana mandrindra tsara ny asa rehetra.
Tsy mbola nanome “ultimatum” na fe-potoana hahatanterahan’izany kosa anefa ireto mpiasa ireto fa dia milaza hoe matoky ny fahendren’ny mpitondra. Rehefa nesorina moa ny minisitra teo aloha dia ny praiminisitra Beriziky Jean Omer no misahana vonjimaika ny ministeran’ny tontolo iainana. Noho ny habetsahan’ny andraikitra sahaniny anefa dia tsy maintsy nanendry an’ny Dr Emmanuel Rakotovahiny mba hisolo tena azy eo anivon’ity ministera ity izy.
Tao anatin’izany rehetra izany dia mbola nivezivezy teny amin’ny biraony ihany ny minisitra teo aloha ny Dr Joseph Randriamiandrisoa. Efa nampaneno lakolosy ho fanairana ihany tamin’izany fotoana ireo mpiasa, saingy mety tsy mbola laharampahamehana tamin’ny fitondrana tetezamita angamba ny fandaminana ity departemanta iray ity. Ny olana anefa dia mbola nitohy foana ny trafikana boaderôzy, misy ny tompon’andraikitra manao sonia ka manome fahazoan-dalana hitrandraka sy hanapaka hazo tao amin’ny ministera. Nilaza ny solontenan’ny mpiasa fa dia manjaka ny gaboraraka ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana. Tsy kely lalana ny ratsy, hoy isika Malagasy, ka nisy minisitra aza nandeha ihany ny trafika, vao mainka moa fa tsy misy minisitra sy tompon’andraikitra voalohany mazava tsara. Izany indrindra no mahatonga ny olona sasany hieritreritra fa sao lahy ka fanahy niniana tsy notendrena mihitsy ny minisitry ny tontolo iainana vaovao mba hahamora ny bizna ataon’ny sasany e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.