Politique

Ministeran’ny fanapariaham-pahefana Manadio tena avokoa


  • Zoma 21 Septambra 2012

Namaly ny fanakianana lava mahazo ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana mikasika ny tsy fahaizan’izy ireo mitantana i Djaosera Irenée, Sekretera jeneraly eo anivon’ity ministera ity.

Nambaran’ity farany fa raha tsy nahay nitantana tokoa ny ministera nisy azy hatramin’izay dia tsy tafapetraka teto amintsika mihitsy ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Nanao ezaka ny ministera, hoy ity tompon’andraikitra ity tamin’ny fanofanana ny Ben’ny tanàna, ny fanofanana ny filohan’ny filankevitra monisipaly, ny fanohanana ara-pitaovana ny Kaominina eny hatramin’ny fandoavana ny volan’ny Kaominina izay noheverin’izy ireo hatao indray mandoa hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Rehefa nanaraka ny pitsopitsony rehetra ny amin’ny hahafahana manatanteraka izany anefa ity ministera ity, araka ny nambaran’ity Sekretera jeneraly ity ihany dia tsy nisy ny sakana teo anivon’ny ministeran’ny teti-bola. Valin-teny azon’izy ireo tany amin’ity farany ny tsy hahafahany mamoaka afa-tsy ny 20%-n’ny tetibolan’ny ministera ihany raha mahatratra 42% ny vola fanampiana ny Kaominina rehetra manerana ny Nosy izay miisa 1551. Voatery natao in-droa mandoa noho izany ny vola fanohanana ny Kaominina izay nambaran’ity Sekretera jeneraly ity ihany fa mbola nisy sakana koa teo amin’ireo Kaominina 60 isa ambiny, hany ka nihitsoka teo ny raharaha. Tsy nitazam-potsiny anefa ity ministera ity, araka ny fanazavany fa mbola nanohy ny asa ihany saingy mbola nipetraka indray ny olana vaovao avy any amin’ny ministeran’ny teti-bola tamin’ny faran’ny volana jona.

Novaina indray mantsy ny “code budgétaire” hahafahan’ny ministera mamoaka ny vola raha mbola olana hafa ihany koa ny tsy fanatrehan’ny ministra Ruffine Tsiranana ny filankevitry ny governemanta, antony tsy nampanankery ny soniany tamin’ny famoahana ny didim-pitondrana mba hivoahan’ny vola. Nihitsoka teo indray ny raharaha, araka ny nambaran’ity Sekretera jeneraly ity, antony mahatonga ireo Kaominina sasany hampiaka-peo. Na izany aza anefa mbola manao ezaka hatrany ity ministera ity, araka ny fanadihadiana natao ihany.

Tato anatin’ny telo andro izao dia tsy nitsahatra ny niasa andro aman’alina izy ireo mikarakara ny antontan-taratasin’ny Kaominina ny amin’ny hivoahan’ny vola ary efa any am-pelatanan’ny “contrôle financier” avokoa izany rehetra izany amin’izao fotoana, na ny CDE taloha sampana iray eo anivon’ny ministeran’ny vola. Andrasana izay fotoana hivoahan’ny vola saingy na izany aza mbola miaka-midina be ihany ny taratasy izay vao tonga any amin’ny tanjona farany, hoy ihany ity sekretera jeneraly ity. Mikasika ny karaman’ny sefom-pokontany indray moa dia nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany fa tsy anjaran’izy ireo ny mandoa izany. Valin-tenin’ny filohan’ny FAT sy ny ministry ny teti-bola tamin’izy ireo hoy ihany izy ny amin’ny tokony hitadiavany vola entina mamonjy ireo sefom-pokontany sasany ka telo volana ihany no zakan’ny ministera, vola izay marihina fa nalain’izy ireo avy tamin’ny volan’ny Faritra Analamanga.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT