Politique

Ministeran’ny fampianarana Mamofompofona UNDD


  • Alakamisy 08 Novambra 2012

Re izao fa manetsiketsika ny antoko UNDD indray ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis, ka hisy ny kongresy hotanterahana any Toliara, mety afaka 10 andro eo.

 Tsy misy maharatsy ny famohazana ny antoko natory mihitsy, saingy ny manitikitika ny saina dia toa mifanandrify indrindra amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2012-2013, ataon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena any Toliara koa izao hetsika ara-politikan’ny UNDD izao. Fantatra moa fa hisy ny fizarana “kits scolaires” mandritra io fotoana io. Efa mazava fa antokon’ny Profesora Albert Zafy ny UNDD, ary olony ihany koa i Manoro Régis. Ny mampiahiahy amin’izao fihetsiketsehana izao dia sao lahy ka hosoavalina antoko iray indray, ity fampianarana eto Madagasikara ity, ka atao fitaovana hametrahana ny namana sy fianakaviana, ary hanomanana ny fifidianana ho avy rehefa avy eo.

Tsikaritra ihany koa tato ho ato izay fa nomen’ny ministera toerana tahaka ny lehiben’ny Cisco na DREN na natao mpanolotsaina teknika, ny sasantsarany tamin’ireo mpitarika ny SEMPAMA any amin’ny faritra. Amin’izay angamba dia miha malemy ilay hetsika sendikaly, mitaky ny hamerenana ny hasin’ny fanabeazana sy ny mpanabe. Nilaza ny hampiditra mpampianatra vaovao ny ministeran’ny fanabeazana amin’ity taona ity, ka maro ihany no velon’ahiahy fa sao lahy ka ireo olon’ny UNDD no ho maro an’isa sy mahazo toerana amin’izany, noho izao fihetsika manomboka mampifangaro ny fiainan’antoko sy ny asan’ny ministera ataon’i Manoro Régis izao. Tany aloha tokoa mantsy dia nihozongozona fatratra ny sezan’ingahy minisitra raha nanomboka ny hetsiky ny SEMPAMA. Nahazo baiko sy toromarika hentitra tamin’ny filohan’ny tetezamita ny minisitra Manoro Régis avy eo mba hikaroka vahaolana ka hampilamina ny SEMPAMA.

Teo no nanomboka ny fitetezam-paritra sy fanambantambazana ireo mpampianatra mpanabe mpiasam-panjakana. Tao ireo nahazo toerana, nisy ny nahazo fanampiana. Ireo tsy nanaiky tonga dia tapaka karama. Teo anatrehan’izany dia nanova paikady ny SEMPAMA tarihin-dRaharovoatra Claude. Nisy ny fitetezam-paritra, nanentanana ny mpanabe hiroso amin’ny fitokonana fampahatongavan-tsaina any amin’ny toerana iasan’izy ireo avy. Etsy ankilany anefa dia ny tetika ho famotehana ny SEMPAMA avy ao anatiny, ka i Manoro Régis sy ny ekipany no nanao an’io. Tsy misy miresaka intsony izao ilay hoe famerenana ny hasin’ny fampianarana, niverina nampianatra ireo izay natahotra ny ho tapaka karama, ireo mpitarika nahazo toerana moa dia nangina na mba miteny ihany fa misandoka ny anaran’ny SEMPAMA. Miha marin-toerana, araka , ny sezan’ny minisitra Manoro Régis.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT