Nandrasan’ireo Malagasy mpanohitra ao anatin’ny Miara-manonja mpila ravinahitra atsy amin’ny Nosy La Réunion teo amin’ny Consulat Général Malagasy ao Saint-Dénis tamin’ny alalan’ny sora-baventy sy hetsika ary tabatababa
maneho tsy fankasitrahana ny Fitondrana Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina omaly. Ity Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy ity izay any an-toerana miatrika ny fivorian’ny Kaomisionin’ny Ranomasimbe Indianina na ny COI. Tsy nitsitsy fitenenanana ireo Diaspora naneho, fa henatra ho an’ny Malagasy ity minisitra ity satria minisitra Malagasy kanefa tsy mahay miteny Malagasy, manala baraka ihany koa ny fanjakana satria “vehivavy janga no atao minisitra”, hoy izy ireo. Raha taty Madagasikara mety efa nahetsika ny Emmo-reg, ary mety efa nidoboka tany Antanimora na Tsiafahy ireto mpanao fihetsiketsehana ireto. Nokianin’izy ireo mafy ihany koa ny kiantranoantrano sy ny tsy fisian’ny fisaraham-pahefana, ka nilazan’izy ireo, fa vadin’ny Sekretera Jeneraly lefitra eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika no nalefa ho mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), vadin’ny Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy no nalefa ho mpikamban’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI),… Tena nahery fiteny izy ireo ka naneho fa isaky ny alina, ny mpanatanteraka sy ny mpitsara dia miray fandriana, “Stop au népotisme”, hoy ny hiakiaka sy ny tabataban’izy ireo. Naneho ny fahadisoam-panantenany moa ireto diaspora ireto satria nanantena fa hijanonana hiresaka amin’izy ireo ny Minisitry ny raharaham-bahiny izay tsy nijanona ny fiara nitondra azy, kanefa efa niomana hanome tolo-kevitra hoe ity misy boky “Lala sy Noro” hianaranao teny Malagasy. Miisa eo amin’ny 5 eo amin’ny ankampobeny ny fitakian’ireto mpanohitra monina atsy La Réunion ireto ka isan’izany ny hoe: ajanony ny fandaniam-bola tsy maika toy ny fividianana fitaovam-piadiana 446 miliara Ar, ny teleferika, fifidianana amboletra, fanampiana avy any ivelany aza ahodinkodina,… Nilaza mbola hanao hetsika any amin’ny toerana hanatanterahana ny fivorian’ny COI izy ireo anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.