Politique

Minisitry ny vola Namaly an-kolaka ny orinasa AAA


  • Alarobia 09 Septambra 2020

“Izay tsy manara-dalàna, dia tsy maintsy manara-dalàna aloha. Tsy ianao tsy manara-dalàna indray no hanome lesona ny fanjakana. Rehefa tsy manara-dalàna ianao dia aorianao ny fanjakana.

 

Rehefa tsy mandoa hetra ianao, dia aorianao ny fanjakana” , io no valin-tenin’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Atoa Richard Andriamandranto tany Toliara taorian’ny fifampiresahany tamin’ireo mpandraharaha, toy ny mpisehatra amin’ny harena an-dranomasina tany Toliara ny fiandohan’ny herinandro teo. Nisy rahateo ny atrik’asam-paritra hoenti-mamolavola ny tetibolam-panjakana 2021. Fifandrifian-javatra ve sa valin-kafatra an-kolaka toa ny orinasa AAA no tena iantefany fampidiran-dresaka fotsiny ny momba ireo mpandraharaha any Atsimo? Io orinasa io rahateo amin’izao fotoana izao no tena ananan’ny Fanjakana olana, ary nakatony noho ny resaka ara-ketra, araka ny fanazavana hoentin’ny mpitondra manome rariny ny fanapahan-kevitra noraisiny. Tsara ampahatsiahivina anefa, fa 12% raha be indrindra ny tahan’ny fandoavan-ketra eto Madagasikara ka asa na orinasa iray tokoa no tsy mandoa hetra eto raha izay tokoa ilay olana na ny 90%.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT