Politique

Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Misy depiote miketrika hanongana azy ?


  • Talata 10 Novambra 2020

Mandeha ny resaka fa raikitra ny fanangonan-tsonia mangataka ny fanesorana ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Atoa Richard Randriamandranto. Solombavambahoaka maro avy amin’ny vondrona parlemantera samihafa no voalaza fa efa manohana izany.

Ny depiote mpiaro ny fitondrana no voatondro fa tena miketrika azy io. Maro ny antony, toy ny fahataran’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na ny LFI 2021 eny amin’ny parlemanta, izay efa ny 30 oktobra no tokony ho voarain’izy ireo. Misedra olana ara-bola ny eny Tsimbazaza satria mbola tsy nandray karama volana oktobra ny mpanolontsaina ireo depiote hatramin’ny omaly 09 novambra. Isan’ny mety ho sakana amin’ny tsy fahazoana ny fiara tsy mataho-dàlana izay nangatahin’ny Depiote mpanohana fitondrana tamin’ny Filoha sy ny Praminisitra tamin’ny famaranana ny fivoriana farany ihany koa io Minisitra io. Hatolotra ny governemanta io fanangonan-tsonia io, raha ny vaovao azy. Mbola baraingo ny momba ny handraisan’ny parlemantera mpanohitra ao anatin’io. Endriky ny krizin’andrim-panjakana sy tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana io, raha raikitra tokoa.

MIANDRY NY VOLAN’NY MPAMATSY VOLA

Nilaza kosa ny depiote TIM Ramboasalama Emilien tamina fampahalalam-baovao iray, fa nisy taratasy, hono, nalefa izay nanaovana “saisine” mba hanajana ilay 30 oktobra, araka ny resaka reny. Fita-bitro izany, hoy izy. Izao dia misy resaka hoe efa tonga ao ny “impôts” sy ny “ladoany”, ka nambarany fa tsy ireo no manome ny antsoina hoe tetibolam-panjakana. Sahirana ara-bola ity fitondrana ity ka izay no mahatonga ny olana amin’izao. Na ny fandrafetana an’io aza dia mbola miankina ny vola omen’ny mpiara-miombon’antoka satria ny 85% amin’ny vola ampiasaina eto avy any ivelany, hoy izy. Nahitsy izy naneho fa mitavozavoza sy tsy atokisan’ny mpamatsy vola io Fanjakana io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT