Notorian’ny Antoko Politika Madio (APM) eny amin’ny Bianco ny Minisitry ny atitany Atoa Tianarivelo Razafimahefa. Omaly 02 novambra izy ireo no nametraka ny fitoriana 3 sosona be izao, ka mangataka fanadihan’ny Bianco.
Voalohany amin’izany ny raharaha 8 miliara nividianana vatomamy nifandraika tamin’ny fiatrehana ny Covid-19 tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, izay nisy fankatoavana avy any ambony izay vao azo atao ny famoaham-bola. Tompon’andraikitra voalohan’ny CCO ny minisitry ny atitany tao anatin’io raharaha io, hoy i Baba Rakotoarisoa. Fitoriana iray hafa ny mahakasika ny fividianana “écrans plats” mitentina 216 tapitrisa ariary teo, izay nahavoatonontonona ity Minisitra ity sy ny vadiny ho nanao kiantranoantrano. Amin’ny maha olom-pirenena mandoa hetra, dia volam-bahoaka no nahodinkodina. Vahoaka mahantra no natao fitaovana nahazoana ny famatsiam-bola avy any ivelany, izay nisy fitantanana tsy mazava. Mino sy manan-tena izahay fa tena manana hazon-damosina Atoa Tale Jeneralin’ny Bianco, hoy hatrany I Baba Rakotoarisoa. Teo ihany koa ny raharaham-pifidianana nifanesy izay nisy ny resaka laharana karapanondro niverimberina nolazain’ny Filoha lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo. Ny CENI no mikarakara ny lisitra, ary ny Minisiteran’ny ny atitany no mikarakara ny karapanondro. Matoa misy karapanondro miverina dia mamofimpofona hoe iza no nividy an’iza, hoyny Filohan’ny APM. Ankoatra ny Bianco dia nandefasana io fitoriana io ihany koa ny PAC, SAMIFIN, ary ny CSI, ka mino izahay fa hanana hazon-damosina ireo rafitra miady amin’ny kolikoly ireo, hoy hatrany ny mpitory.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.