Nanome lesona sy nanakiana ny mpanohitra ny Minisitry ny atitany Atoa Tianarivelo Razafimahefa omaly.
Tena ilaina ho arofaninana ny mpanohitra, fa tsy hanao asa hanakorontana fiainam-bahoaka. Tsy hisy hanana tombotsoa amin’ny kotrontana na ny mpanohitra na ny mpitondra. Aoka hisikim-ponitra hiaraka hanarina ny toekarena, izay potika noho ny covid 19, iraisana amin’izao tontolo izao. Tsy tokony ho politika politisianina hitadiavana tombotsoa kely sy seza. Fatra-panaja izany demokrasia izany isika, fa tsy demokrasia baranahiny, ka samia tompon’andraikitra. Ao anatin’ny fotoanam-pifidianana isika izao, ka mialoha, mandritra aoriana, dia tsy maintsy tandrovina ny filaminam-bahoaka. Aoka ny polika politisianinana tsy hoentina hanakorontanana, hoy ity Minisitra ity. Momba ny hetsika sy famoriam-bahoaka ataon’ny mpanohitra hatrany, dia jerena hoe hanao tatitra, kanefa rehefa tena henoina tsy tena tatitra fa resaka politika ranoray, hoy ity Minisitra ity. Fa tena misy fanjakana mihaino mpanohitra ho harofaninana araka ny tenin’ny Minisitra ve eto? Sao dia ny mpitondra kosa no efa tena tsy mahazaka demokrasia ka izay miteny sy mitsikera dia lazaina fa mpanakorontana? Tsy misy tokony hatahoran’ny Fanjakana ny tatitra sy fanambarana politika ataon’ny mpanohitra raha tena mandeha am-pahintsiana sy marin-toerana ny mpitondra. Isan’ny voatsikera sy voatsingoloka hatrany noho ny raharaham-pitantanany moa ity Minisitra ity, toy ilay raharaha écran plat 216 tapitrisa izay izy mivady no manao Sonia faktiora, ny fitoriana momba ny fifidianana nifanesy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.