Politique

Minisitry ny atitany Hanambitamby ben` ny tanàna ?


  • Talata 16 Aprily 2019

Hampivory ireo ben` ny tanàna ao Moramanga, Brickaville, Toamasina I sy II, ary Fenoarivo Atsinanana ny minisitry ny Atitany, Tianarivelo Razafimahefa, amin` ity herinandro ity. Delegasionina mahery ny telopolo no hanaraka azy amin`io diany io. Maro ireo lohahevitra ho dinihana mandritra izany fivoriana izany toy ny resaka volan` Ambatovy. Misy kaominina misitraka ny “ristourne” nefa be loatra ny fepetra arahina eo anivon`ny Ministeran` ny vola ka misy tsy mahazo ny sasany.

 

Azo antoka koa aloha fa tsy maintsy hiresaka fifidianana. Raha tsiahivina, nisy fanambarana nataon` ireo sefom-pokotany eo anivon` ny boriborintany faha-V ny herinandro lasa teo izay nanehoan` izy ireo ny tsy fankatoavana ny fanesorana azy ireo tamin` ny toerany sady tamin` ny antony izay tsy mazava. Mivoaka ankehitriny fa misy fitantanana tsy madio satria nesorina amin` ny antony politika ny sefom-pokotany ka mety hiroso any amin`ny fampiatohana ben` ny tanàna toy ny tany Befandriana… Tsiahivina ihany koa fa nisy fikasana hanesorana ny ben` ny tanàna tao Toamasina sy Antsirabe. Iaraha mahalala rahateo fa i Tianarivelo Razafimahefa dia nametraka ny dian-tanany tamin` ny fifidianana filoham-pirenena. Nametraka izany dian-tanany izany ihany koa nandritra ny fanomezana fahefana feno ho an` ny Filoha Rajoelina… Mipetraka ihany ny fanontaniana: Amin` ny fotoana inona no hampiarina ny fampanajàna ilay “neutralité politique” na ny tsy fiandaniana politikan’ireo olom-panjakana sy mpikambana eo anivon’ny governemanta, araka ny voalazan’ny andininy faha-39-n’ny Lalàmpanorenana? Voalaza mantsy fa ny Fanjakana dia miantoka ny tsy fiandaniana politikan’ny mpitantan-draharaham-panjakana, ny tafika, ny Fitsarana, ny Polisy ary ny Fampianarana. Mazava ny fanapahana navoakan `ny HCC fa tsy afaka sy tsy mahazo mandray anjara velively amina fampielezan-kevitra ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo olona na tompon’andraiki-panjakana. Tsy azon’izy ireo atao ny miseho amin’ireny fampielezan-kevitra ireny, ny mandray fitenenana mivantana na tsia, ny manao fanamiana fampahafantarana ilay kandidà sy ny antokony, sns… Azo antoka ihany koa ny seraseran` ny mpitondra aoriana ny fivoriana fa hiompana amin` ny hoe: “tsy ny vahoaka ihany fa ny olomboafidy eny ifotony sy ny parlemantera voafidim-bahoaka no ao an-damosin` ny Filoham-pirenena” na koa hoe “manao be fiavy sy maneho fahavononona hanohana ny mpanorina ny IEM, Rajoelina, ireo ben` ny tanàna”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT