Tsy niatrika ny Filankevitry ny governemanta sy Filankevitry ny Minisitra ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy, Ramaroson Vaomalala Olga tamin’ity herinandro ity.
Tsy dia nisy antony mazava re fa dia tsy tonga izy. Maro no mampifandray io tsy fahatongavany io tamin’ny ampamoaka nataon’i Alain Ramaroson vadiny mikasika ny raharaha Nadine Ramaroson ny herinandro lasa iny, sy ny nahatongavan’ny Emmo-Reg sy ny Vaditany tany an-tokantranon’izy ireo teny Andoharanofotsy ny tolakandron’ny talata 02 oktobra teo. Marihina fa namoaka fanambarana ary niaro ny mpikambana ao aminy voatonontonona tamin’ny ampamoaka nataon’i Alain Ramaroson ny governemanta raha nivory ny talata. Azo antoka fa tsy azoazon’ny vavonin’ny minisitra Vaomalala Olga izany, ary mety ho anisan’ny antony tsy nandraisany anjara tamin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly alarobia.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.