Politique

Minisitra taloha hotsaraina Lohalisitra i Onitiana Realy


  • Zoma 27 Novambra 2020

Manana fotoana hatramin’ny 18 desambra ny Antenimieram-pirenena amin’ny

 

 

 

fandinihana ireo dosie 12 mahasaringotra minisitra teo aloha, izay olon’ny HVM ny ankamaroany. Miisa 4 ireo dosie tokony nanaovan’ny vaomiera tatitra ny talata 24 novambra teo, saingy nisy fihemorany indray, ary efa faharoa io. Tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra hatolotra ny HJC na hatsahatra ny fanenjehana, ka ny 4 no nisantarana izany, dia ny an’ny Minisitry ny mponina teo aloha Rtoa Onitiana Realy, Reboza Julien, Anthleme Ramparany, ary ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Misy ny loharanom-baovao naneho, fa Rtoa Onitiana Realy no hatao lohalisitra tiana hadoboka voalohany, saingy misy ireo depiote mitsivalana ny resaka fifamaliana faty, ka izay no isan’ny mampihitsoka ny raharaha. Mandeha ny tsindry sy toromarika avy amina olona ambony. Vao herinandro mahery izay no nisian’ilay fampidirana am-ponja vonjimaika olona 7, raha toa ka olona 8 no nahazo fahafahana vonjimaika, izay toa maneho fa mitombina ny tsy haha afa-bela ity Minisitra teo aloha ity. Tsenan’asam-panjakana tsy ara-dalàna (marché public fictif) no voalaza fa niseho teo anivon’ny Minisiteran’ny mponina ny taona 2017-2018. Mahatratra 4 524 492 000 Ar ny sora-bola ambara fa voahodinkodina. Isan’ireo 7 efa nadoboka am-ponja ny Talen’ny fitantanam-bola sy ny mpaniraka azy, “dépositaires comptables » roa, tompon’andraikitra momba ny tsenambaro-panjakana na PRMP, mpamatsy entana,… . nofoanana ny didim-panjakana 2016-1071 tamin’ny 21 jolay 2016 nanendrena ny Tale misahana ny fitantanam-bola. Nofoanana ihany koa ny didim-panjakana 2019-181 tamin’ny 20 febroary 20219 nanendrena ny Tale misahana ny “Audit et Controle Interne” teo anivon’ny Ministeran’ny mponina, izay inoana fa tsy fanapahan-kevitra kisendrasendra. Misy ny fampahalalam-baovao milaza fa tsy eto an-tanindrazana intsony ny Minisitra teo aloha Onitiana Realy. Andrasana ny tohiny !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT