Tsy mbola ato ho ato ny fialan’ny minisitra Ruffine Tsiranana ao amin’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana na teo aza ny taratasy nalefan’ny ankolafy Ravalomanana any amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra ary ny birao fifandraisan’ny SADC ny hanoloana azy, «noho ny tsy fahaiza-mitantana».
Andaniny, milaza ho tsy mahalala izany ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer raha nanontanian’ny mpanao gazety. Loharanom-baovao hafa moa no manamarika fa tsy mazoto ny hanolo minisitra intsony i Beriziky. Ankilany indray dia nanendry mpiara-miasa vaovao ny minisitra Ruffine Tsiranana. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana fanendrena azy ireo, dia Atoa isany
Volazara Mamy, Tale jeneralin’ny fiadidiana ny lafintany, Randrianirina Ulrich Haja, Tale misahana ny fanohanana ara-bolan’ny fanjakana ary Raveloarimanana Paul André, Talen’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.