Politique

Minisitra Patrick Rajoelina Tena mianatra ve sa mba manal’azy ?


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Niteny frantsay ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina nandritra ny fihaonana mivantana na “face à face” tamin'ny depiote,

izay nahazoany kiana mafy dia mafy satria vahoaka Malagasy no hanaovana tatitra, siangy indrisy fa tsy mahay miteny Malagasy ilay minisitra. Tsara anefa ny manamarika, fa ny teny frantsay dia tafiditra anatin’ny teny ofisialy ampisaina eto araka ny Lalampanorenana Malagasy. Na izany aza, firy isan-jaton’ny Malagasy moa no mahay sy mahafehy ary mahazo izany teny Frantsay izany. Tsy vao izao no nijoboka ity minisitra ity satria nandritra ny diany tatsy La Réunion ny volana novambra teo, dia tao anatin’ny fanaovana hiram-pirenena mihitsy no nisy toe-javatra mamehehitra niseho. Raha toa ka ny hiram-pirenena malagasy "Ry Tanindrazanay malala" no tokony nohiraina teo amin'ny fanombohana ny fihaonan'ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Patrick Rajoelina tamin'ireo diaspora malagasy monina ao La Réunion dia nifamadika tamin'ny Hira faneva fampiasan’izay mpanohitra eto amin’ny firenena, dia ny hiram-pitolomana: "Madagasikara Tanindrazanay" no noventesina, izay endrika fanimbazimbana ny hiram-pirenena. Ny nahagaga ny rehetra, dia nitohy nihira ihany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy na dia teo aza izany fahadisoana izany, izay toa naneho fa mody misoka-bava fotsiny ny minisitra, fa tsy hainy ny hira. Ny sabotsy teo, naneho an-tsary ny Minisitra Patrick Rajoelina, fa namaky ny boky fianarana ny teny Malagasy “Lala sy Noro”. Tena finiavana hianatra sa serasera tiana hatao. Mandra-pahoviana izany ity minisitra ity no hahay sy hahafehy ny teny Malagasy ka afaka ny hifanerasera amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka? Fianarana tokoa ny fiainana, ka tsy atao mahamenatra ny mianatra sy mandalina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT