Politique

Minisitra Patrick Rajoelina Mahita atao foana, tratry ny resabe indray


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Niteraka resabe indray ny taratasim-panjakana nataon’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina ny 18 septambra momba ny fiaraha-miory tamin’ny fahafatesan’ny Abdelaziz Bouteflika.

 Taratasy natao tamin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, ny governemanta, ary tamin’ny anaran’ny tenany manokana. Nitanisa ny fandraisana andraikitra politika nataon’ity Filoha Alzerianina teo aloha ity, ny hetsika niadiana tamin’ny fanjanahan-tany Frantsay, ny naha olom-boafidy, ny naha mpikamban’ny governemanta, ka nasongadiny ny naha Minisitry ny raharaham-bahiny nialohan’ny naha Filoham-pirenena azy, izay nambara fa tena nanamarika io firenen io. Nanaitra ary anton’ilay adihevitra kosa ny voalazan’ity Lehiben’ny diplaomasia Malagasy ity ny firesahany manokana ny fitakosenany tany amin’ny “moudjahidines” an’ny tafika momba ny fanafaham-pirenena, izay hetsika nataony tany aloha tany, kanefa amin’ny anararan’ny vahoaka Malagasy ny taratasy nalefa. Marina fa mety nisy fifandraisana manokana na tantara nanamarika ity Minisitra ity, saingy nanaitra ny niresahana izany manokana tao anatin’ny taratasim-panjakana. Maro no nametra-panontaniana hoe: inona no antony manokana na tokony hampidirana manokana ny “moudjagidines” ao anatin’izany? Tsy vao izao no niteraka resabe ity Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy ity, fa efa nahazoany tsikera mivaivay ny faramparan’ny volana aogositra teo ny nandehanany nanampy isa ireo diaspora mpomba ny fitondrana nanao hetsika hanoherana ny diaspora mpanohitra sy hampisehoana fa miaro sy manohana ny Filoha. Minisi-panjakana, minisitry ny repoblika ny tenany fa tsy minisitry ny TGV-MAPAR. Tompon’andraikitra feno amin’ny fahafaham-barakan’ny Filoha amin’ilay nandeha nitonantonana toy ny vinanto tsy mahare fosa tany amina minisitra Frantsay nandritra ny fifanaovan-tsoniam-pitrosana ny alatsinainy teo ihany koa ity Minisitra ity. Tsy fomba ary tsy fanao, manala baraka ny asa maha Filoham-pirenena ny Filoha mandadilady any amina minisitra izany, ary tsy fanao amin’ny lafiny arofenitra, saingy niseho ny tsy fahita tao anatin’ny 60 taona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT