Politique

Minisitra mifamingana Efa mitady ho vaky ny sambo


  • Zoma 11 Martsa 2022

Raharaha nafana nanamarika ity herinandro ity ny momba ny valizy misy kodiarana na “valise à roulettes” sy ny solosaina enti-tànana na “ordinateur portable”

 tsy azo atao entana entin-tànana ho an’ny mpandeha fiaramanidina. Nandroso nihemotra ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro Tinoka Roberto izay nilaza ny atoandron’ny alatsinainy fa efa zavatra tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 23 febroary iny, saingy nasaina nandiso izany ny takariva, ka nilaza fa vao hodinihina sy hiadian-kevitra fa mbola tsy tena izy iny. Nanampy trotraka izany, mbola niendrika fandetehana azy ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny fizahantany Atoa Jöel Randriamandranto ny ampitson’io, ka nilaza fa tsy misy an’izany fandrarana ny valizy misy kodiarana sy ny resaka solosaina izany, ary tsy hanaiky izany mihitsy ny OACI (Organisation de l’Aviation Civile Internationale). Raha ny loharanom-baovao anefa, nisy ny karazana tetika faminganana sy fapijabahana goavana teo amin’ny samy mpikamban’ny governemanta. Nisy ny fihaonana teo amin’Atoa Jöel Randriamandranto sy ireo kaompania an’habakabaka noraisina adin’ny iray avy teo tao amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, ka tao no niaingan’ilay resaka fepetra fandrarana ny entana entin-tànana amin’ny valizy misy kodiarana na “bagages à main à roulettes”,... Ny 25 febroary nanaovana io fivoriana io, notarihin’ny Minisitry ny fizahantany, niaraka tamin’ireo ekipan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny nahitana ny Sekretera Jeneraly, ny ekipa avy amin’ny Fadin-tseranana na ny ladoany, ny ekipa avy amin’ny Minisieran’ny fitaterana sy ny famantarana ny mety ho toetry ny andro, mpitsabo avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, mpandraharaha ara-pizahantany,… Noraisina adin’ny iray avy teo ho eo ireo kaompania. Misy ampahan’ny horonam-peo tamin’ny teny vahiny nataon’ny Minisitra nandritra ny fifampiresahana tamin’ny Kaompania Turkish Airilines miresaka ny fandrarana ny entana entin-tànana amin’ny alalan’ny valizy misy kodiarana, saingy tato aoriana dia i Tinoka Roberto indray no nalentiny. Azo heverina ho politika avo lenta, ny andaniny mety nahatoky sy narisika hiditra tamin’ny resaka mety tsy voafehiny sy tsy nohamarininy, ary eo ihany koa ny tsy fahafehezana ilay sehatra na ny Minisitera iantsorohana. Ny ankilany mety manana kajikajy haka ilay toerana indray satria tsiahivina fa nitambatra ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetry ny andro, izay nosahanin’Atoa Atoa Jöel Randriamandranto, saingy nahena ny fahefan’ity farany nanomboka ny 15 aogositra 2021 satria norahana ny minisitera, ka nomena an’i Tinoka Roberto ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro. Endrika iray manaporofo hatrany ny ady an-tranon’ny Fanjakana ity raharaha ity, ary efa karazana fambara izany fa marefo ny fanjakana ary mitady ho vaky ny sambo.Atao ahoana moa no hahatoky fitondram-panjakana miady an-trano sy manampahefana anaty governemanta iray kanefa mifanao atsimo sy avaratra ny zavatra ambarany. Ahoana no hahatokisana intsony manampahefana miovaova hevitra isaky ny mihetsika rehefa avy nahita resaka sendra nandalo tao amin’ny facebook.
TSY NIATRIKA FILANKEVITRY NY MINISITRA
Raha ny loharanom-baovao azo, dia tsy niatrika ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo I Tinoka Roberto noho ny fahatezerana. Voasokajy ho ratsy toerana taorian’ireny raharaha ireny, ka na ny fifandraisany amin’ny Filoha aza voalaza fa mangatsiatsiaka. Andrasana ny mety ho fanovana ny mpikambana sasany ao anaty governemanta, fa mangotraka ny toe-draharaha any anaty etamazaoro politikan’ny fitondrana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT