Politique

Minisitra Lalatiana mivady Ny mpomba ny fitondrana aza mandetika azy ireo


  • Zoma 17 Septambra 2021

Anjaran’ny tompon’andraikitra mahefa ny mijery ny hitantanana ny raharaha momba ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady,

 mba tsy hirona sy mivarina any amin’ny resaka tsy mitondra vokatra, raha ny fanehoan-kevitry ny depiote iray lany tamin’ny lokon’ny IRD omaly.” Nambarany fa saropady ny firenena, tsy maintsy tandremana ny fanabezana, tsy maintsy tandremana amin’ny resaka atao sy ny fanapahan-kevitra horaisina. Notsiandrian’io olom-boafidy io kosa, fa “raha vao hoe teratany Malagasy iray misehatra amin’ny politika indrindra fa mitazona andraikitra ambony dia betsaka ny manara-maso azy. Ny Malagasy dia mametraka ny tompon’andraikitra ho fakan-tahaka sy fitaratra eo amin’ny firenena amin’ny fitondran-tena”, hoy izy. Heveriko hoe tsy mijery fotsiny ny tompon’andraikitra, fa tsy maintsy misy tatitra atao amin’ny lehibe isan’ambaratonga, hoy izy indrindra fa eo anatrehan’ilay raharaha fipoahana basy sy voalaza fa fikasana hifofo aina. Ny minisitra moa dia niezaka naneho sy namafy, fa tsy mitombina ary lainga hafafy ny resaka momba azy ireo. Maneho fa ny mpanohitra no ao ambadiky ny fandotoana sy fanosoram-potaka azy iro. Ny olona ao anaty fitondrana aza anefa ankehitriny, dia sahy maneho ampahibemaso, ary maneho araka ny heviny fa tsy mijery fotsiny ny manam-pahefana tompon’andraikitra. Tsy tena misy olona ambony sahy mijoro sy miaro tanteraka ity minisitra ity sy ny vadiny hatreto, fa ny kaonty fako any amin’ny tambajotran-tserasera no ampitenenina amin’ny ankampobeny. Nahoana ihany koa ny Minisitry ny serasera mivady no tsy sahy mandiso ampahibemaso ny voalazan’ny Prefen’Antananarivo fa nisy ny poa-basy sy fakana ny basy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT