Minisitra tamin`ny fitondrana Rajaonarimampianina miisa 5 tamin`ireo 12 izay kandidà solombavambahoaka no nahazo toerana raha nivoaka ny voka-pifidianana navoakan`ny CENI ny sabotsy lasa teo.
Rafidimanana Narison kandidà tany Antanifotsy ao anatin`ny faritra Vakinankaratra nirotsaka tamin`ny tsy miankina, izay efa minisitry ny varotra sady minisitry ny fanajariana ny tany. Chabani Nourdine, kandidà tany Taolagnaro, minisitry ny indostria. Neypatraiky Rakotomamonjy, kandidan`i Ihosy, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra sady coach HVM tao Ihorombe. Monique Rasoazananera, kandidà solombavambahoaka tao Ambositra, nirotsaka tamin`ny tenany manokana ary minisitra fampianarana ambony coach HVM tao Amoron`i Mania. Farany, i Johasy Eleonore, kandidà tany Vangaindrano, minisitry ny kolontsaina. Izy ireo no nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka rehefa avy nitana andraikitra ambony teo amin`ny fitantanana firenena. Ireo minisitra hafa tsy voafidy kosa ho solombavambahoaka Pr Mamy Lalatiana Randriamananarivo, minisitry ny fahasalamana teo aloha, Ralava Beboarimisa Gilbert, nirotsaka kandidà tao Manakara. minisitry ny fahasalamana teo aloha, Harinirina Yoel Rantomalala, kandidà tany Soavinandriana. Kandidà tao Mananjary, Anthelme Ramparany. Ny Coach HVM Atsimo Atsinanana, Tazafy Armand, minisitry ny indostria sady efa tale jeneralin`ny hetra. Tsy mbola voafidy ihany koa i Jean Annicet Randriamosarisoa, coach Matsiatra Ambony kandidà Ambalavao. Farany i Bary Rafatrolaza, sekreteram-panjakana miadidy ny raharaham-bahiny sady minisitry ny fiompiana. Hatreto, mbola hitovy ve ny hazalambo atao amin`ny olon`ny HVM ? Marihina fa misy amin`ireo minisitra tsy lany no voarohirohy amina dosie maro. Eo ihany koa, ny hoavin`izy ireo amin`ny sehatry ny politiika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.