Tsy hisy fiovana ny fanaovana politika eto amintsika. Raha noheverina fa hisy fifandanjan-kery politika teto amintsika satria nisy minisitra HVM lasa depiote miampy ny firafitry ny Antenimierandoholona dia nibaribary indray ny tsy fananana etika politika fa nandeha nialokaloka amin`ny fitondrana izy ireo.
Andrasana tokoa mantsy ny fialan`ny Praiminisitra Ntsay Christian amin`ny 16 jolay ho avy izao araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana, ary re fa raha ny kajin`ireto minisitra teo aloha ireto dia miketrika mafy izy ireo hiverina ho mpikambana ao anaty governemanta satria efa manana traikefa, hono. Marihina fa ireo minisitra HVM tompom-pahefana teo aloha ireto be ketrika ireto. Nisy tamin’izy ireo no tonga dia nanjavoa tsy hita popoka vao nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany i Hery Rajaonarimampianina, tao ireo nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa, fa nisy koa ireo tonga dia niara-dia tamin’i Andry Rajoelina na mody nanangana fikambanana tsy miankina. Malaza amin’izao fotoana ny fanenjehana ireo mpitondra teo aloha ahiana ho nandika lalàna sy nanao ny tsy mety. Noho ny tahotra an’izay ve no mahatonga ireto olon’ny kravaty manga fahiny mitakosona amin’ny loko volomboasary ankehitriny ? Sa tena fitiavana te hahazo seza fotsiny tsotra izao fa efa zatra nomem-boninahitra sy niaina manjelanjelatra ? Mila mitandrina ihany ny filoham-pirenena raha te hahomby satria be loatra ny mpamadika palitao sy mpisolelaka izay tsy azo antoka ho mpanolotsaina mahatoky, satria ny tombontsoany manokana aloha no laharampahamehana aminy.
|
Ireto avy ireo minisitra HVM lasa solombavambahoaka : -Chabani Nourdine (minisitry ny indostria), voafidy tany Taolagnaro. -Rafidimanana Narson (minisitry ny varotra sady minisitry ny fanajariana ny tany) voafidy tao Antanifotsy. -Monique Rasoazananera (minisitry ny fampianarana ambony) voafidy tao Ambositra. -Neypatraiky Rakotomamonjy (minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra) voafidy tao Ihosy. -Johasy Eleonore (minisitry ny kolontsaina) voafidy tany Vangaindrano. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.