Ny maika aminay izao dia ny fanovana ny mpikamban’ny governemanta satria misy rahateo ny tombana nambaran’ny filoha fa hatao ao anatin’ny enim-bolana, hoy ny venti-kevitry ny fanambaran’ny depiote voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-5
Atoa Naivo Raholdina teny amin’ny HCC Ambohidahy ny 2 jolay teo. Raha ny tontolon’ny fananan-tany, dia tsy nahavita azy ny minisitra raha ny nambarany. Fanakianana mazava sady mahitsy tsara izay azo adika fa misy tsy fitovian-kevitra aloha izany eo amin’ny samy mpanohana fitondrana ary mety misy tsy fifankahazoana manokana mihitsy aza eo amin’Atoa isany Naivo Raholdina sy Hajo Andrianainarivelo. Misy tombontsoa mifanipaka sa tena fomba fijery mihitsy ? Raha ny tantara rahateo no jerena, filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany teo anivon’ny antenimiera ary miresaka matetika momba io tontolo io Atoa Naivo Raholdina. Efa nitana io minisitera iantsorohany io kosa Atoa Hajo Andrianainarivelo tamin’ny tetezamita, saingy nisara-dalana tamin’ny fifidianana filoha ny 2013, saingy io tafaverina io aty aoriana. Nisy fotoana naniry io toerany io ve ity solombavambahoaka ity fa tsy nahazo ? Ny azo antoka aloha, dia samy miezaka maka ny fon’ny filoha ny an-daniny sy ny an-kilany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.