Politique

Minisiteran’ny angovo Nanatitra fanambaram-pananana ireo tale


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Tonga nanatitra ny fanambaram-pananany teny amin'ny foiben'ny BIANCO etsy Ambohibao omaly ireo tale isan-tsokajiny eo anivon'ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo sy ireo Rantsa-mangaikany.

Porofo izany fa miasa anaty mangarahara tanteraka ny eto anivon'ny minisitera ary maneho finiavana hanao ny asany am-pahamarinana ireo mpitantana rehetra, hoy ny sekretera jeneralin'ny minisitera, Razanajatovo Lauriane. Enga anie, hoy izy, mba ho filamatra ho an'ny minisitera rehetra izao fihetsika ataonay izao, nandritry ny fanolorany amin'ny fomba ofisialy ireo antotan-taratasy tamin'ny talé jeneralin'ny BIANCO, Andrianirina Laza Eric Donat. Tsara ampahafantarina antsika ihany koa fa ny minisitera dia manana rafitra manokana misahana ny ady amin'ny kolikoly na ny "ULC", hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT