Politique

Mikorosofahana ny firenena Mipoitra izao ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Niainga tany amin'ny olan'ny fitsinjarana fanampiana nandritra ny valanaretina covid-19 (2020 sy 2021) ny olana ara-pitantanana sy fandaminana teto amin'ny firenena. Nipoitra tamin'ireny ny raharaha "bonbon sucette"

 sy "ecran plat", izay tsy hita ny tohiny efa ho roa taona aty aoriana kanefa nisy ahiahina fanabontsinana faktiora sy kolikoly tao. Natao resaka manjavozavo ny fanaovana vaksiny iarovan-tena amin'ilay valanaretina, ny filohampirenena dia sahy nilaza fa hoe tsy manao vaksiny fa CVO ny azy sy ny fianakaviany. Nahavalalalina ny maro ny hoe : mba ahoana ary no nataony rehefa izy nandeha tany ivelany ireny (Eoropa sy Etazonia) ; "test PCR" fotsiny ve sa ahoana? Dia maro be ny vaksiny nopotehina satria tsy narisika ny Malagasy, maro anefa ireo firenena mangetaheta vaksiny. Ankehitriny, taona 2022 entanina mafy be isam-pokontany hoe tongava manao vaksiny ny 18 taona no miakatra. Tsy re feo intsony ny CVO, ilay hoe hamonjena izao tontolo izao. Fa nahoana no tsy efa tamin'ny 2021 no natao izany dia nalamina fa izao vao mikorapaka ? Nanampy ireny nipoitra indray ny olana hafa: karama sy volan'olona tsy voaloa, halatra voamaso, fakana an-keriny zaza varira sy tovovavy, fiparitahan'ny rongony mahery vaika atsindrona izay tanora no ankamaroan'ireo roboka aminy. Ny trafikana volamena mandeha be. Mipetraka ny fanontaniana : fa manao inona marina ny fanjakana ? Efa ratsy laza i Madagasikara izay ao anatin'ireo firenena 3 mahantra indrindra maneran-tany. Ny mpitondra fanjakana milaza fa mandeha ny fampandrosoana eto, ny olona miha tsy ampy sakafo sy miha reraka. Lasa tsizarizary ny asa, kitoatoa ny fitantanana, toa lasa any amin'ny sehoseho ivelany ny resaka atao eto; sokajian'ny mpandinika fiarahamonina ho fandrendrehana saim-bahoaka. Miha voaporofo hatrany izao fa anaty tsy fahaiza-mitantana manarapenitra ny eto Madagasikara ary raha tsy misy fiovana famindra dia mety ho ratsy ny fiafarany atsy ho atsy satria tsy misy fandrosoana azo amina fomba fiasa ankitsapatsapa sy andrakandrana izany.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT