Politique

Miitatra ny ampamoaka Depiote mianadahy indray no voatonontona


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Miitatra toy ny sima misioka ilay raharaha nampiala ny Minisitry ny fitsarana Atoa Imbiki Herilaza na “Imbiki gate”. Mitombo isa ny olona ambony sy politisianina voatononontona ankoatra ny olon-tsotra sivily mpanao afera,

miampy teratany karana. Ny samy nanana afera ihany no voalaza fa nifampitory, ankoatra ny fipoahan’ny afera. Ankoatra ny minisitra iray hafa, misy depiote lahy iray efa nalaza hatry ny ela tamin’ny raharaha trafikana volamena voatonontonona ao anatin’ny raharaha. Efa nisy fotoana aza io depiote io nanaovan’ny Solombavambahoaka mpanohitra ampamoaka noho ny raharaha trafikana volamena, ary misy milaza fa efa tratran’ny horonan-tsary niaraka tamin’ny bolongam-bolamena tao amin’ny “salón VIP” tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be. Misy depiote vavy voalaza fa manana fifandraisana akaiky dia akaiky amina karana malaza amin’ny trafikana volamena sy vola vahiny na “dévises” makany Dubaï. Io depiote iray ilay voalaza fa nisy fiara nanaraka tetsy Anosy andro alina ny volana novambra 2021, ka nitsivalanan’ilay fiara ny fiarany izay izy sy lehilahy miendrika karana no tao anaty fiara, ary heverina ho ny vadin’ilay olom-boafidy no tao anatin’ilay fiara nibahana ka nikapokapoka ny fiara raitra nentin’ilay depiote rehefa voasakany. Misy ihany koa mpanolontsaina any amin’ny Primatiora voatonontonona, ankoatra ireo irakiraka amin’ny resaka trafika. Misy karana tompona tranombarotra goavana, ary voalaza fa mpiara-miasa amin’ny fanjakana amin’ny resaka vary stock. “ i YK na nitory aza dia nanaiky fa mpiray tsikombakomba amin'ny maha “passeur” nitondra im-betsaka bolongam-bolamena na “lingots d’or” sy vola vahiny na “devises” miaraka amin'izany FA ka 150 000-200 000 euros isaky ny mandeha ny “devises” entiny ary ilay karana KD no mampiasa azy amin'izany. Nampanantenaina omena trano sy volabe izy manao an'io”, hoy ny ampahany amin’ny ampamoaka. Rtoa Raïssah isan’ny anarana malaza ao anatin’ny raharaha kosa dia voatondro fa efa malaza amin’ny aferana tany miaraka amin’ny karana nandritra ny taona maro ary niara-niasa tamina olona ambony tao amin’ny Fitsarana sy ny tribonaly; voalaza ho niara-niasa tamina minisitra iray mbola ao anaty governemanta malaza amin’ny aferana safira sy volamena ihany koa. Asa hanao ahoana ny tohin’ity raharaha avo lenta ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT