Nihazakazaka ny seho tsy fifehezana manara-penitra ataon'ny fitondrana, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny.
Porofo ireny fa misy tsikombakomba sy tsy fifehezana ny maha mpitondra ny fitondrana tarihin'andriamatoa filoha hajaina mamim-bahoaka, Andry Rajoelina. Miverina miasa daholo ny mpiasa hoy ny Filoha. Angaha ny fitaterana nasionaly tsy anisan'ireo mpiasa? Maninona moa raha tena vahana tanteraka ny fihibohana sady isika manana ny CVO? Efa tsy misy fandraisana andraikitra ataon'ny fitondrana ihany dia aleo samy miaro ny tenany, hoy hatrany izy. Hanampy ny orinasa malagasy aza ho atao ka dia ny fanakatonana indray no atao. Tsy fotoanan’ny fifanenjehana sy fifanomezan-tsiny izao nefa indrisy fa tena mitanjaka ny zavatra ataon'ny fitondrana. Ampitomboy ny isan'ny fitiliana! Terena ho atao ny CEPE, BEPC, BAC nefa tena tsy ampy sy voahomana manara-penitra ny fanatanterahana ireo. Aza maika sy ampirisihina amin’ny resaka diplaoma ny zanantsika ry ray aman-dreny fa aleo ihany mba manana fahaizana sy maha izy azy. Amin’izay mba tsara homana ny hoavin’ny firenena ka azo antoka ny maha olona ao anaty natiora milamina sy tsara fiomanana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.