Nezahina taorian’ny fanonganam-panjakana sy tetezamita ny nanaiky lembenana ny lalàna samihafa teto amin’ny firenena izay mifehy ny demokrasia eto. Ny lalàmpanorenana natao izay tiany na “unilatérale”,
tsy niarahana tamin’ny tondrozotra na ny “feuille de route”, fa dia nekena mba tsy hisian’ny fikorontanana, hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa omaly tamin’ny fanambarana niarahany tamin’Atoa James Ratsima sy Arlette Ramaroson. “Ny vokany anefa, dia ohatran’ireny valalan’alika ireny ilay izy, ka ny tompony aza tsy tia, I Andry Rajoelina izay nanao azy indray no miteny hoe: ovao io lalàmpanorenana io, ary tsy vitan’izany fa manitsakitsaka azy io, ka isan’izany ny “governorat” izay tsy ao anaty lalàmpanorenana, ny satan’ny mpanohitra tsy hajaina, ny fahafahana midina an-dalambe araka ny didy hitsivolana lah. 60-052 voahitsakitsaka lasa mila alalana amin’ny mpitondra raha te hanohitra sy hitrongy azy”, raha ny nambaran’Atoa Jean Louis Rakotoamboa. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), dia roa ihany ny asany: “contrôle de constitutionalité” na fanamarinana na mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàna iray na tsia, ary faharoa dia ny fitsarana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika sy ny parlemantera. Ny HCC anefa lasa parlemantera satria ny lalàm-pifidianana 2018-08 lany tamin’ny 11 may 2018 dia nohitsakitsahiny, tonga dia nokatsanany fa tsy naveriny tany amin’ny parlemanta. Isan’ny notsoahina ny hoe: tsy tokony hahazo famatsiam-bola avy any ivelany ny kandida. Nisy ny fanapahan-kevitra nataon’ny HCC ny 25 mey 2018, nandrava ny governemanta sy nampanangana governemanta iraisaina, izay tsy asany, fa dia nekena fotsiny mba hoe hisian’ny filaminana, na zavatra tsy rariny aza. Ny voka-dratsin’ireny mety lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence”, ka raha hisy hiady sy hidina an-dalambe izany eto, dia afaka hitaky governemanta iraisana?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.