aharaha mbola mafampana amin’izao fotoana izao ny resaka fandrodanana ny sisa nitsangana tamin’ny Orinasan’i Marc Ravalomanana tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina,
dia ny fanamboarana menaka Tiko Oil Product, fanamboarana lafarinina (Mana), ny Margarinerie,… Nilaza ny Tale Jeneralin’ny SPAT Adellin Christian Eddy, fa Ananan’ny seranantsambon’ i Toamasina trosa mitentina 8 143 801 730 Ariary ny TIKO Mana, ary 1 225 214 685 Ariary ny TIKO TOP izay totalin’ny hofan-trano sy ny hofan-tany tsy voaloa nandritra ny taona maro. Nahazo rariny tany amin’ny Fitsarana ny fandrodanana, ary nahazo rariny, hoy ity Tale Jeneralin’ny SPAT ity. Nilaza kosa ny Me Hanitra Razafimanantsoa tamina fandaharana manokana niarahany tamin’ny Depiote Fidèle Razara Pierre sy ny Mpanao gazety sady mpikambana ao anatin’ny Hetsiky ny Panorama Atoa Vonison Andrianjato, fa ny fifanarahana nosoniavina tamin’ny 1995, dia maharitra 25 taona ny fifanarahana. Nambarany, fa nosakanana ny dingana ara-dalàna rehetra, misy fotoana mahazo didy afaka miditra mijery ny fahapotehana, mamantatra hoe iza no namotika tao. Misy anarana maro voatonona maro. Ny CAMM (Centre d’Arbitrage et de Médiation de Madagascar) ary io no “dernier recours” na mpanapa-kevitra farany momba ny fifanolanana, saingy tany amin’ny Tribonaly tao Toamasina izay tokony tsy hahefa no nalefa, ary natao izay handresena ny Tiko. Malagasy mamotika Malagasy, tsy trosa 1 miliara no handravana fotodrafitrasa an-tapitrisany dolara, ary ny trosa lazaina dia taorian’ny fahapotehana ny 2009, hoy izy. Misy orinasa vahiny anefa mijoro ao tsy sahy kitihana, hoy ny fanazavana. Kodiaran-tsarety ny fiainana, ka androany ianao no mitondra fa rahampitso mbola tsy hay. Reharehan’ny Malagasy foana izany orinasa Malagasy misandratra izany, ka sahinareo ve ny mandrodana orinasa hafa ivelan’ny Tiko tahaka izao ? hoy izy. Nilaza izy ireo, fa mbola hisy ny dingana hatao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.