Nampanantsoin’ny Minisiteran’ny raharaharaham-bahiny ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara Christophe Bouchard omaly 18 jolay.
Nambara taminy ny fahatairan’ny Fanjakana Malagasy noho ny vinavinan’ny Fanjakana frantsay hanangana na hamadika ho Tahirim-pirenena Voajanahary na « Réserve Naturelle Nationale» eo amin’ny Nosy Glorieuses. Hentitra ny Fanjakana Malagasy naneho fa manohitra marindrano io tetikasan’ny Frantsay io. Miendrika jadona sy tsy fanajana ny fifampiresahana misy eo amin’ny Fanjakana roa tonta mikasika ireo Nosy Glorieuses, Juan de Nova, Europa sy Bassas da India, izany vinavina izany, no sady mandika ankitsirano ny Fehinkevitry ny Fihaonamben’ny Firenena mikambana Laharana faha-34/91 sy 35/123. Araka ny Fehinkevitra Laharana faha-34/91 nankatoavina ny 12 Desambra 1979, ny Fihaonamben’ny Firenena Mikambana dia mangataka ny Governemanta frantsay hanomboka tsy misy hatak’andro ny fifampiresahana amin’ny Governemanta Malagasy, mba hamerenana amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo izay nasintaka taminy tamin’ny fomba tsy ara-dàlana, sy hanafoana ireo fepetra rehetra manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy mampisaraka ny tanin’i Madagasikara... Mampiseho tsy fanajana an’i Madagasikara sady manohitra ny fanambarana niarahan’ny roa tonta nanasonia teto Antananarivo, ny 18 Nôvambra 2019 ny vinan’ny Frantsay. Manohitra tsy misy fepetra ny fikasan’ny Frantsay ny Fanjakana, ary toheriny ihany koa izay fihetsika hafa rehetra na mivantana na ankolaka mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara amin’ireo Nosy ireo. Ny fifampiraharahana eo amin’ny roa tonta dia tokony tanterahana ankitsipo ary hitohy ao anatin’ny fifanajana feno. Mihamafana ny raharaha. Ny 11 mey moa I Andry Rajoelina no nilaza fa famerenanana ireo Nosy no takiana, fa tsy fiaraha-mintantana, ary tsy hisy hahasakana anay, hoy izy. Ny androtr’iny ihany dia nilaza ny Frantsay fa hampanao fakana ny hevitry ny vahoaka hatramin’ny 2jona amin’ny hamadihana ny Nosy Glorieuses ho Tahirim-pirenena voajanahary. Asa izay ho tohiny? Tena izy sa sarihimihetsika?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.