Politique

Miha tampina ny daomy Hataka sy trosa sisa iainana


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Handalo fandinihana eo anivon’ny Filankevi-pitantan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny famoahana ny famatsiam-bolan’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) ho an’i Madagasikara.

Ny Fivorian’izy ireo ny 7 martsa izao no hanapaka ny famoahana ny 69 tapitrisa dolara, raha toa ka mahafa-po azy ireo ny fehin-kevitry ny « revue » andiany voalohany, izay niainga tamin’ny iraka sy diany teto, nifanatrehany tamin’ny mpitondra Malagasy ny 22 septambra hatramin’ny 25 oktobra 2021. Ny desambra tamin’ny taon-dasa no tokony nodihina sy nandraisana fanapahan-kevitra teo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny FMI ny dosien’i Madagasikara momba ny FEC saingy tsy tanteraka. Nisy ny fanomezan-toky avy amin’ny Fanjakana mba hahamora ny fisitrahana io FEC io. Etsy andaniny, isan’ny notakian’ny FMI ny fitsirihana lalina na « audit » momba ny fandaniana tamin’ny covid-19. Niandry an’io ny FMI, ary naneho fa tamin’iny taona iny, izany hoe ny 2021 no efa tokony namoahana an’izay. Ny 17 febroary lasa teo anefa vao nivoaka ny tatitry andiany voalohan’ny fitsarana momba ny kaonty na ny « cour des comptes » momba ny fitantanana ny vola fanampiana avy any ivelany niatrehana ny covid-19. Nivoitra tamin’ny ankampobeny, fa betsaka ny tsy fangaraharahana, ahiahy amin’ny mety nisiana kolikoly avo lenta,… 444 tapitrisa dolara na 1818 miliara no nokirakiraina, izay betsaka ny fitantanana tsy mazava. Rehefa halalinina, tsy maintsy navoaka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, izay notakian’ny FMI mba ahafahana manantena ny fivoahan’ny 69 tapitrisa. Azo heverina ny hivoahan’io satria sokajiana ho vola atokana ho an’ireo firenena tena sahirana io. Ny tsikaritra kosa, mihena ny fitokisana sy fahatokisan’ny mpamatsy vola ny Fanjakana Rajoelina no ny fitantanana tsy mangaharaha. Tsy tena misy vaingana fanampiana ara-bola be mba mahatratra amina miliara dolara, fa mitsitaitaika, ary ny sasany aza homena ny tsy miankina ny fitantanana azy. Sasatry ny mangata-bola hatrany ny Filoha amina fivoriana iraisam-pirenena na fihaonana amina tompon’andraikitra ara-bola iraisam-pirenena, toy ny tany amin’ny COP 26, tany amin’ny Fihaonana an-tampon’ny Vondrona Eoropeanina sy Vondrona Afrikanina,... Tena tsisy hatokona raha tsy misy trosa sy fanampiana avy any ivelany, lasa Fanjakana sy firenena mivelona amin’ny hataka ka aiza ilay hoe: tsy mila mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra firenena ?
Toky R
Légende: Ny Filoha Rajoelina nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny FMI Rtoa Kristalina Georgieva ny 23 septamba 2021
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT