Politique

Miha mafana ny toe-draharaha Hidina an-dalambe ny mpanohitra


  • Alakamisy 15 Jolay 2021

Hidina an-dalambe ny mpanohitra hoenti-manohitra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny sata mifehy ny fanoherana, tondroin’izy ireo ho fanitsakitsahana ny

 lalàmpanorenana, araka ny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny RMDM Pasitera Edouard Tsarahame omaly. Ny HCC ihany no manafaingana ny fanonganana ny fanjakana. Fanonganam-panjakana araka ny lalana iny famoahana fanapahan-kevitra momba ny mpanohitra nataon’ny HCC iny, raha ny nambarany. « Misaotra ny HCC amin’ny fanonganam-panjakana izay ataony satria hiteraka korontana io, miteraka savorovoro, ka raha miongana ny fitondram-panjakana dia tsy ny mpanohitra no manongana azy, fa ny HCC no namorona an’izany fanonganam-panjakana izany, hiteraka an’izany, ary hanafaingana ny fialan’ity fitondrana ity amin’ny toerany. Efa miditra ao anatin’ilay fanonganam-panjakana araka ny lalàna ny HCC. Raha miongana io, dia ny HCC no teneno. Ny asany, dia mijery ny lalàna tonga ao aminy na mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia fa tsy mamorona lalàna. Na mifanaraka na tsia, fa tsy izy ireo indray no mahita zavatra hanampiana na hanalana. Tsy ny HCC no tompon’io, fa miaro an’io tsy ho voahitsakitsaka no asany », hoy izy. Ny dikan’izay, rehefa misy ny fandikana lalàmpanorenana ka ny HCC no mankasitraka sy manome rariny an’izay, dia nambarany fa hitroatra ny vahoaka Malagasy tompon’ny fahefana farany mikasika ny lalàmpanorenana. Nilaza ny tenany fa hidina an-dalambe ny mpanohitra, miaraka amin’ireo vahoaka nifidy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana hoentina manohitra iny fanapahana iny. “Tsy mandrahona hidina an-dalambe izahay fa tena hiditra an-dalambe. Izahay hidina an-dalambe satria ny vahoaka izay nifidy an’io lalàna io no tompon’ny fahefana farany fa tsy ny HCC. Samy nanana ny nifidy azy Rajoelina sy Ravalomanana”, hoy izy. Hisy ny fivoriambe amin’ny herinandro ambony io ataon’ny mpanohitra rehetra manerana an’i Madagasikara eto Antananarivo hamoahana fehin-kevitra hiatrehana ny HCC izay nanohitra io lalàna io, hoy hatrany i Edouard Tsarahame.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT