Politique

Mifoha ny CENI Amin’ny 11 desambra ny fifidianana Loholona


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Ao anatin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ho an’ireo mpifiidy vaventy (ben’ny tanàna sy mpanolontsaina) ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana amin’izao fotoana izao.

 

Ho fanomanana ny fifidianana loholona io, na tsy mbola misy aza ny tetiandro mazava momba ny fifidianana fa ny hany nambaran’ny Filoham-pirenena dia hovitaina mialohan’ny faran’ity taona ity, na dia ny janoary 2021 aza no ho tapitra ny fe-potoana hiasan’ireo loholona ankehitriny. Mazava ho azy, fa loholona 16 no hofidiana amin’io, izay 2 isaky ny faritany, ary ny 2 kosa dia ny Filoham-pirenena no hanendry azy. Tsy tongatonga ho azy ihany koa ny fampandaniana ny lalàna momba ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka izay tafiditra tao anatin’ilay 001/2020, ka heverina ny hisian’ny fitsapankevi-bahoaka tsy ho ela satria efa nokasaina hatao niaraka tamin’ny fifidianana depiote ny 27 mey 2019, saingy nolavin’ny HCC. 11 desambra ny daty naroson’ny CENI hanaovana ny fifidianana loholona, ka anjaran’ny fitondram-panjakana ny manapaka an’izany. Aorian’ny valin’ny fitoriana samihafa eny amin’ny Filankevim-panjakana kosa ny mety handehanan’ny famerenana ireo fifidianana ben’ny tanàna. Tsy maintsy mikitika lalàmpanorenana rahateo ny fametrahana ny faritra faha-23 sy ny fanovana ny anaran’ny Lehiben’ny Faritra ho governora, raha tena arahina ny lalàna. Isan’ny fanazavana nentin’ny mpitondra moa ny hoe fiantsoana na « appelation » fotsiny ny hoe governora fa mitovy amin’ny asan’ny Lehiben’ny faritra ihany. Raha ny lalàna, dia fidiana ihany koa ny Lehiben’ny Faritra, saingy mba hahafahana mitazona ilay fanendrena fa tsy fifidianana no heverina, fa nizorana tamin’ny fanovana anarana ho governora.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT