Politique

Mifanatona ny ankolafy 4 Hivaha amin’izay ny krizy ?


  • Alarobia 29 Desambra 2010

Ao anatin’ny fandinihana ny dingana manaraka tsy maintsy hodiavina amin’izao fotoana ireo ankolafy politika maro samihafa, ary ny manomboka mampitovy hevitra azy rehetra dia ny hoe tsy mety intsony raha mbola hitarazoka ao anatin’ny fifanandrinana ny eto amin’io taona ho avy io fa tsy maintsy hita amin’izay ny marimaritra iraisana mba hampilamina ny fitantanana ny tetezamita sy ny fiampitana tanteraka any amin’ny Repoblika faha IV.

Na dia eo aza ny fametrahana fepetra maro mialoha ny hisian’ny fifampidinihana vaovao amin’io volana janoary io dia hita ho efa samy mandefitra ny ankolafy tsirairay avy, indrindra fa ny avy aty amin’ny mpanohitra. Ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Tiako i Madagsikara, ohatra, dia fantatra fa efa nidinika sy nihaona tamin’ny solontenan’ny fitondrana tetezamita sy ny antoko TGV, tsy zavatra vaovao fa ny fikarohana ny hevitra mba hahafahana miara-miasa ao anatin’ilay tetezamita iaraha-mitantana no anton’izany, hita taratra fa efa marisika ny hiditra ao anatin’ny tetezamita ihany koa ity ankolafy ity, na dia eo ihany aza ny fitakiana maro ambara eny an-kianja.

Dia nilaza koa izao ny ankolafy Zafy Albert fa tsy mandà mihitsy ny hiditra ao amin’ireo rafitry ny tetezamita tahaka ny CT, ny CSt ary ny CENI sy ny governemanta izy ireo, saingy mila fandaminana tsara izany, ary raha miroso amin’ny fifampiresahana hahatongavana amin’io tanjona io dia eo imason’ny mpanelanelana tarihan’ny SADC no tsy maintsy hanaovana izany, araka ny hevitry ny ankolafy Zafy Albert ihany. Midika izany rehetra izany fa ankolafy roa amin’ireo telo manohitra ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana no efa nanatsidika fa afaka miditra ao anatin’ny tetezamita izy ireo raha toa ka mazava tsara ny fitsipi-dalao fa tsy manjavozavo sy hanjakan’ankolafy tokana tahaka ny nisy hatramin’izay.

Ny ankolafy Ratsiraka manokana dia tsy mbola nisy fanambarana ofisialy, saingy efa hatry ny ela izy no fantatra fa nahatafiditra olona tao anatin’ny fitondran’i Andry Rajoelina, na dia nambara aza fa nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana ireny olona ireny. Efa tsy mahagaga moa fa fomba fiady eo amin’ny tontolo politika ihany ity hoe tsy nahazo tso-drano tamin’ny antoko nisy fa nanolo-tena, fa rehefa mandeha eny ny volana sy ny taona miravona ihany ny disadisa anatiny eo amin’ny antoko ka hiverina ao am-bala avokoa ireo « ondry » nania. Hoy indrindra ny raim-pianakaviana iray manodidina ity fifanatonan’ny ankolafy ity manao hoe : « raha izany no izy dia maha velom-bolo io taona vaovao ho avy io satria manomboka mahatsapa tena ny mpanao politika fa tsy misy tombontsoa azo amin’ny fifanandrinana sy ny fifandirana, ary tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana » 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT