Politique

Michael Gerhard Karl Häusler Ambasadaoro vaovaon’i Allemagne


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny filohan'ny Repoblika ny masoivoho vaovaon'ny repoblika federalin'i Alemaina, Michael Gerhard Karl Häusler.

Omaly 27 jolay 2022 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha moa no tontosa izany. Efa am-polo taona maro no nisian'ny fifandraisana teo amin'i Alemaina sy Madagasikara ary nanambara ny 2 tonta fa vonona hanatsara sy hanamafy hatrany izany fifandraisana ara-pirahalahiana izany. Anisan'ny sehatra isian'ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fampiasana ny angovo azo havaozina, ny fampiroboroboana ny vokatry ny fambolena ary ny fanatsarana ny fitsinjaram-pahefana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT