Politique

Miary Rasolofoarijaona “Mbola lavitry ny afo ny kitay”


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Misy olona mihevitra fa rehefa lazaina fa ny mpanohitra no te hampiakatra ny vidin'ny solika dia tsy tomponandraikitra amin'izay miseho eo izy,

hoy ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha, Miary Rasolofoarijaona. Mihevitra izy, hoy izy, fa raha tsy miakatra ilay vidin'ny solika nefa ny vidim-piainana efa io midangana be io dia heveriny fa tokony hisaorana sy hiteafana izy. Raha vitanao ny mitrandraka ny solika eto Madagasikara, miteraka asa ho an'ny malagasy ary amidy mora eto Madagasikara dia mendrika isaorana ianao. Handroso i Madagasikara rehefa mahafantatra ny tena ilainy ny Malagasy. Raha mbola zaza fisainana ka faly rehefa omena kilalao sy ampifalifaliana fotsiny dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Ny zaza no manaiky hoe lanin'ny voalavo ny laoka rehefa tsy mahavidy ny ray aman-dreny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT