Politique

Miara-Manonja “Vao famakiana atody iny, mitohy ny tolona”


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Raha ny tokony ho izy dia tany amin’ny Magro Behoririka na Kianjan’ny 13 mey no nety indrindra

 

 

 

 tamin’ny Tatitra nataon’ny Solombavambahoaka TIM ny sabotsy teo, ary mifanaraka amin’ny tenin’ny Prefen’Antananarivo sy ny Sekreteram-panjakana Miadidy ny Zandarimariam-pirenena fa tsy tetsy amin’ny Magro Tanjombato no nanaovan’ny Depiote Miara-manonja tatitra, hoy ireo Depioten’ny Miaram-manonja. Nambara fa raha ireo no any amin’ny 13 mey dia rava ny tsena, ary mety mbola ho any. Namaky atody aloha tamin’iny teny, fa amin’ny manaraka tsy makeny intsony. Nolazaina izahay hoe any amin’ny toerana nahalany an’ireo, ka teo Ambohijatovo aho no saika hanao, satria boriborintany voalohany eny. Isika anefa tsy makeny amin’ny “abatoir”, hoy izy. Tsy miditra amin’ny atody miady amam-bato, saingy rehefa ny vahoaka no miteny hoe tsy mety intsony, dia tsy voatana io, hoy hatrany ny Depiote Hanitra. Nanamafy io olom-boafidy io, fa “mbola hisy ny tatitra, tsy voafetran’ny lalàna ny isan’ny tatitra ary mbola nisy depiote tsy nahavita, mitohy ny ady amin’ny jadona sy ny fitakiana ny fahalalahana maneho hevitra an-dalambe”. Nambara fa tsy ny tatitra no tanjona, fa ny ady amin’ny jadona sy ny hisian’ny demokrasia, ny fahalalahana maneho hevitra satria dia tena mihorohoro na teratany Malagasy, ny vahiny, eny hatramin’ny fiangonana aza.

TSY MITADY TOERANA SY FIZARAN-TSEZA

 “Izahay tsy mitady toerana, fa aleo hazava ny resaka. Tsy mangataka governemantan’ny fisokana, tsy mitaky hoe handao hanao fisokafana. Mazava ny anay hoe ataovy mazava ny fitsipi-dalao. Mitaky ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra. Avereno ny resakareo hoe zo fototra ny fidinana an-dalambe”, hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre. Mitaky fampiharana ny lalàna mifehy ny mpanohitra. Mitohy ny tolona, ady amin’ny jadona, ny asan’ny mpanohitra,…. Milaza ho horohoroina ireo depiote, handefasana mpitandro filaminana any amin’ny tranony. Tsy mora anefa ny manala ny “immunité”, hoy izy ireo. Naneho fa hampita vaovao sy hanao tatitra amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ihany koa. Ny Miara-manonja mbola mitohy, ary ampahafantarina eo ny hatao fanintelony. Izahay manan-tsaina, na lazainareo fa dondrona aza, saingy ny hevitry ny dondrona no mampikoropaka anareo. Izahay mbola tsy niteny hoe hidina an-dalambe, ary ianareo tsy mila haongana, hoy hatrany I Fidèle Razara Pierre. Takian’ireo depiote TIM ihany koa ny famoahana tsy misy fepetra ireo 12 nosamborina, ary milaza fa hanampy sy hanohana azy ireo ny Miara-manonja.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT