Politique

Miara-manonja “Tsy hihemotra, ho avy tsy ho ela ny tohiny”


  • Zoma 26 Febroary 2021

Nanao fampitam-baovao tamin’ireo masoivoho sy karazana fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zon’olombelona,

 

 

 

mba hijery sy handray andraikitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ny Miara-manonja, araka ny voalazan’ny Depiote Fidèle Razarapiera omaly. Tafiditra ao anatin’izany ny firesahana ny fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra. Efa naharay izany ny Masoivoho Frantsay, Suisse, Allemagne, Afrika Atsimo, ny SADC, ny Kaomisera ambony momba ny zon’olombelona, Solontena maharitry ny PNUD, UNICEF, Transparency International,… Mbola mitohy ny fanaterana. Ao anatin’ny fandresen-dahatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria I Madagasikara izany tsy afaka ny hiolonolona eto, hoy io depiote io. Nampahafantarina fa tsy nahavita tatitra noho ny antony maro. Nalefa amin’ireo rafitra sy fikambanana ka ireo Depiote miisa 6 lany teto Antananarivo no nanao izany. Efa nihaona sy nandefa taratasy tamin’ny FFKM nitondrany ny heviny ny Miara-manonja. Tsy nandrisika ny Raiamandreny am-panahy kosa amin’ny hoe fanelanelanana satria mampiditra azy ireo ao anatin’ny politika. Tsy afaka ny hiandry hoe misy zavatra goavana be miseho vao hoe aiza ny Raiamandreny am-panahy, hoy I Fidèle Razarapiera. Milaza ho tsy mitady toerana sy seza izahay, fa mitaky ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra, firenena tsara tantana, mila misy fanoherana mijoro manao ny asany ara-dalàna, ahafahan’ny Fanjakana mijoro mandrefy ny zavatra tsy mety ataony, hoy i Fidèle Razarapiera.

TSY HO ELA DIA HO AVY NY TOHINY…

Nisy ny “dérive dictatorial” na jadona tamin’ny fidinan’ireo minisitra misahana ny fitandroana ny filaminana, izay tsy tompon’ny fibaikoana, fa miantsoroka kosa ny politika ankampoben’ilay minisitera. Ny politika no mahazo fiarovana noho ny vahoaka sy ny fananany. Nampiahiahy ny fisiana olona hafahafa raha jerena tamin’ny volon-koditra. Aoka izay ny letrezana sy fampiadiana ny mpitandro filaminana amin’ny vahoaka tanam-polo, hoy ny mpitarika. Mbola ao anatin’ny dingan’ny tolona hiadiana amin’ny jadona sy ny fanamparam-pahefana isika, tsy ho ela dia ho avy ny tohiny, ary manentana ny olony hanaraka ny toromarika ireo mpitarika ny miara-manonja. Hisy ihany koa ny fanampiana ireo 12 voasambotra, toy ny tsipaipaika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT