Politique

Miara-manonja Tena misy ny lonilony


  • Alakamisy 21 Aprily 2022

Tsy takona hafenina intsony ny lonilony eo amin’ny samy “Miara-manonja” izay fandaharana politika ao amin’ny haino aman-jery MBS andaniny, ary ny haino aman-jery AZ ankilany,

raha toa ka iray ihany izany tany aloha. Nanaitra ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM Fetra Ralambozafimbololona tamin’ny fahitalavitra iray omaly naneho fa misy fitsipika ifampifehezana ao anatin’ny TIM. Anton’io ny fisian’ny fikasana hanangana vovonana politika Miara-manonja kasain’ireo olom-boafidy ao anatin’ny elatra Miara-manonja tarihin-dry Depiote Fidèle Razarapiera, Hanitra Razafimanantsoa, ary Rodin Rakotomanjato atsangana. “Misy ireo namana, mbola raisiko hoe: namana ihany hatreto, mikasa na efa manangana ny vovonana Miara-manonja. Tsy nifampierana izany, misy ny fanambarana nataon’ny namana hafa teo aloha teo mifanohitra amin’ny fanambaran’ny RMDM sy ny Birao politikan’ny TIM. Mino aho fa mbola ho avy ny fotoana hanaovana fanambarana iombonana, fa hatreto aloha tsy nifampierana tsy nahazoana alalana tamin’ny Birao politika, Vondrona Parlemantera TIM, ary ny Filoha mpanorina ny Antoko Marc Ravalomanana izany”, hoy ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM. Hatry ny ela moa no nampisalasala ny mpanara-dia ny TIM ity Miara-manonja mizara roa ity, ary niharihary tamin’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera avy amin’io Antoko io fa misy ny lonilony. Tsy mbola naneho hevitra ofisialy mikasika io fisamahan’ny Miara-manonja io ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana hatreto, ka maro ihany koa no maneho fa mety ho stratejia politika ihany koa ny zava-miseho. Mbola mitondra ny anarana solombavambahoaka TIM rahateo ireo depiote ao anatin’ny Miara-manonja faharoa, fa tsy mbola nisy fanaisorana azy ireo tao anatin’ny Vondrona Parlemantera tahaka ny natao tamin’ny Depioten’Andramasina. Na izany aza, tsy hita hatrany tao anatin’ireo fanambarana nataon’ny Vondrona Parlemantera TIM ireo depiote ao anatin’ny Miara-manonja faharoa ireo. Na misy aza ny endrika tsy fifankahazoana, samy mitsikera mafy ny Fitondram-panjakana ny Miara-manonja roa tonta.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT