Nandefa taratasy any amin’ny Firenena Mikambana (ONU), fa indrindra ho an’ny Firenena
Amerikanina ny Miara-manonja sy ny Vondron’ny Mpanohitra RMDM. Manabaribary fa anjakan’ny didy jadona eto Madagasikara, mamaly bantsilana ny fanamparam-pahefana ataon’ny Governemanta amin’ny vahoaka. Isan’ny voarakitra ao anatin’izany ny sakantsakana tamin’ny tsy fahafahan’ny olom-pirenena mivoaka sy miditra ny renivohitra tamin’ny alalan’ny fanakanana ny fitaterana; ny fanidiana ny Kianjan’ny demokrasia sy ny famoahana miaramila miaraka amin’ny fiara mifono vy sy fitaovam-piadiana samihafa teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana tamin’ny fanakanana ireo olom-boafidy hanao tatitra amin’ny vahoaka; ny fisamborana sy fanagadrana ireo mpiara-dia tamin’ny “Miara-manonja” izay noho ny fanamiana muloko mena nanaovany. Amin’ny alalan’ny Miara-manonja sy ny RMDM ary ny vahoaka voakasika no nanoratana izany, ka miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena hiditra an-tsehatra eo anatrehan’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona miharihary, ny fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny fahalalahana,… ny Mpanohitra. Manaratsy endrika ny Fitondram-panjakana io, indrindra fa ny fisiana fisamborana sy fanagadrana ny 20 febroary ary mbola ny 06 aprily ny fitsarana raha tsy misy ny fiovana. Tsy tanàna nirehitra, tsy fivarotana voaroba, tsy korontana niseho,… saingy tsy nananan’ny Fanjakana Malagasy henamaso ny nampigadra vonjimaika noho ny firehan-kevitra tsy mitovy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.