25 andro taorian’ny fiatoan’ireo elatry ny Miara-manonja AZ Radio, nisy ny fandaharana manokana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo, ka nilazan’izy ireo fa zavatra hafa no dikan’ny saina fotsy, fa tsy misy mitsoaka eo, vonona hatrany ny Miara-manonja.
Miara-mahatsapa fa mikorontana tanteraka ny tontolo politika, tsy misy “repère” na ny mpitondra na ny mpanohitra, manjavozavo tanteraka ny zava-mitranga. Nandritra ny dinika faha-10 tamin’ny Vondrona Eoropeanina, dia ny nilazan-dRajoelina fa tsy misy krizy. Hafahafa ilay firesahana hoe: “tsy misy krizy fa mila fitoniana”. Fitantanana krizy sisa no ataon’ny Fanjakana, tsy misy sori-dàlana mazava azo vakiana momba ny politikam-pitantanana, hoy izy ireo. Nilaza ireo Miara-Manonja ireto fa anatin’ny faharanitan-tsaina ny fanoherana. Ny zavatra sy tanjona goavana dia ny hoe: “Non Rajoelina” amin’ny 2023 tsy misy Rajoelina ho lany amin’ny 2023! Izay no tanjona goavana. Nilaza fa manao fanabeazana politika, ka tsy tokony hisy olona tena mendrika amin’ny 2023, fa tsy olona hanao kitsapatsapa. Ny gafy ataon’ny Fanjakana mahafinaritra, ilaina io amin’ny 2023, tsy misy tolona madio… “Zavatra mielina ihany izany Rajoelina izany, tsy mahazo kivikivy isika manoloana ny fananarana sy ny fanabeazana politika, tsy mihemotra, sarotra ny fanoherana mahalala fomba “Opposition intelligente” satria baikon’ny vola fa tsy fotokevitra ny politika eto. Raha votazontsika amin’izao dia tahaka an-dry Gandhi, Nelson Mandela, Che Guevara, Ratsimandrava,…”, hoy ny fanhoan-kevitr’Atoa Vonison Andrianjato. Nambarany fa efa fanomanana sahady ny “doublon”, tsy manendrikendrika isika fa Atoa Thierry Rakotonarivo no nanambara izany am-pahibemaso fa nisy “doublon” 1 200 000. Atoa Marc Ravalomanana ve no nanao izany izay tsy eo amin’ny fitondrana sa ny N°13 no nanao izany? hoy izy. Vao nipetraka ny Filoha dia tamin’ny alalan’ny “Voi d’ordonnance” ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izay lalàna fehizoro. Ny PGE (Programme Générale de l’Etat) toa tsy mandalo antenimieram-pirenena, fa toa tsy naheno izany izahay, disodiso ilay Filoha dia hamarinin’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana,… Mailaka hisosoka aty ny Sovietika satria maika hiaraka amin’ny “voyou” jiolahim-boto, ry Rinah Rakotomanga sady mpitsara, tonga dia mamoaka anarana hoe: Razanatseheno, ny Minisitra Rolland Ranjatoelina nanala azy fa tsy nahaongana,… hoy ny Miara-manonja nitanisa ireo ambarany fa adalana sy fandikan-dalàna ataon’ny Fitondrana ankehitriny. Ny tolona ataontsika izao, raha tsy mahazo Fanjakana isika amin’ny herintaona, dia zava-poana, hoy izy ireo. Naneho moa ireo fa tsy ny samy fanoherana no tokony ho hifandramatra amin’ny “cible” fa ny fitondrana mpamarina an-kady ny firenena. Herintaona sisa hananantsika io Fitondrana io, tsy mirehareha izahay hoe: vitanay, fa vitantsika miankavy io, hoy I Depiote Hanitra Razafimanantsoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.