Politique

Miara Manonja “Ho hita eo raha sahy na matahotra ny Filoha”


  • Alakamisy 09 Septambra 2021

Naneho hevitra momba ilay raharaha miteraka resabe mahakasika ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy sy Atoa Andry Andriatongarivo vadiny,

 ary ny Mpanakanto Mr Sayda ireo depiote roa ao anatin’ny fandaharana miara-manonja faharoa, dia Atoa Fidèle Razara Pierre sy Rtoa Hanitra Razafimanantsoa omaly. Nokianin’i Fidèle Razara Pierre mafy ny nampidirana ny minisitera amin’ny raharaha manokan’ny minisitra, kanefa izy ihany no niresaka fa tsy tokony hampidirina amin’ny fiainana manokana ny tsy fitoavian-kevitra. Nisy moa ny fampiasana ny pejin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina nentina nanamelohana ny zavatra nanjo sy mahakasika an-Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. « Ny minisitra ampidirin’ilay minisitra amin’ny sakafo ambany foatra amin’ny hoe : manameloka ny famotehana ny minisitra sy ny vadiny kanefa izy ihany no miresaka fa tsy tokony hampidirina ny fianana manokana. Izay ve no asan’io minisitera sy departemanta io, ampiasainao hiaro anao amin’ny resaka fiainana manokanao ny minisitera?”, hoy I Fidèle Razara Pierre. Nilaza kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, fa misy olona tsy fantatra hoe hatraiza marina ny fahefany? Inona ny toerany kanefa dia manana basy? Mety hiteny izy hoe manana alalana hitazona na “autorisation” fa ny fomba fampiasana azy ilay fomba fampiasana basy mihitsy no tsy mety fa kinga be mamoaka basy. Fa efa lasa fanjakan’i baroa na “République bananière” ve eto satria afaka manao izay tiany hatao ka na any an-trano , na any am-piasana, na eny an-dalam-be dia ambanana basy sy tifirina? Tsy voalohany na faharoa ny zavatra toy izany, hoy izy.
MATAHOTRA AZY IREO VE ?
Andrasana izay fepetra ho raisin’ny filoham-pirenena amin’izao raharaha mandoto ny fanjakana iray manontolo izao. Na tiana na tsy tiana dia manamaivana ilay fitondram-panjakana izao zava-mitranga izao raha tsy misy fanapahan-kevitra raisin’ny Filoha, hoy Fidel Razara Pierre. Lasa hieritreritra mantsy ny olona hoe: atahoran’ny filoha ireto olona ireto, na koa hoe: fa inona no antony atahoran’ny Filoha azy ireo? raha ny fanehoan-kevitr’io depiote io. Samy olom-boatendry moa ny minisitra Lalatiana sy Atoa Andry Andriatonarivo vadiny ary i Mr Sayda izay mpanolotsaina teknikan’ny minisitry ny serasera. Raha ny navoakan’ny gazety iray omaly moa, dia nifampitory izy telo ireo, saingy tsy hay na efa nosintonina na tsia. Nitory ny vadiny noho ny fijangajangana Atoa Andry Andriatongarivo, nitory ny vadiny amina herisetra ao an-tokantrano ny minisitry Rakotondrazafy Lalatiana, nitory ilay vadina minisitra noho ny fikasana hifofo ny ainy ilay mpanakanto,…. Raharaha be sy mifamahofaho tanteraka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT