Politique

Mialy Rajoelina Manarina ny adalan'ny Fanjakana


  • Zoma 27 Novambra 2020

Raha variana miady an-trano, mifampitandroka, manao zavatra miteraka adihevitra, mampanantena poakaty, mandika lalàna,…

ny mpitondra ankehitriny, dia toa miezaka mampiseho sary manakona an’ireny i Mialy Rajoelina vadin’ny Filoham-pirenena. Ny 04 oktobra no nilazan’ny Filoha fa hiverenany any Atsimo afaka tapa-bolana ary hipetraka maharitra any, kinanjo ny vadiny no tonga nanarina ny fahafaham-baraka tamin’ny fampanantenana tsy vitan’ny Filoha. Nanomboka ny 24 novambra teo no any Atsimo i Mialy Rajoelina. Manolotra masomboly sy fitaovam-pambolena isan-karazany tany Ifotaka Amboasary Atsimo, toy ny mangahazo 41 000, masomboly voafantina ahitana karazana legioma 153 kg sy katsaka 1500 kg, miaraka amin’ny fitaovana fambolena toy ny “moto pompes” sy zezika, ka fianakaviana hatramin’ny 50.000 no hisitraka ny tetikasa. Nitohy tany Tsivory nanao fizarana tohana ara-tsakafo ho an’olon-dehibe miisa hatramin’ny 1000 sy koba aina voafantina ho an’ny ankizy miisa 500. Haharitra mandritra ny 15 andro io. Ny alarobia, nitohy, tao Bekily, faritra Androy, ka nizara sakafo toy ny tany Tsivory. Nisy ihany koa fizarana fanampiana ara-tsakafo ho an'olona 1500 avy amin'ny Barean’i Madagasikara. Nananamfy ny ady amin’ny herisetra, ary mandrisika amin’ny fahasahiana mijoro. Mampiseho sary fa miasa i Mialy Rajoelina, ary te hanarina mafy ny fahadisoam-panantenan’ny olona amin’ity Fitondrana ity, na dia tsy manana andraikitra ofisialy ao anaty Fanjakana aza.

TENA NIANATRA ARY MANAM-PAHAIZANA

Miezaka mampiseho sary tsara i Mialy Rajoelina eo anatrehan’ny fitotonganan’ny taham-pahatokisan’ny olona ny Fanjakana. Maro ny manasokajy ity vadina Filoham-pirenena ity ho tena tompon’ny saina sy ny atidoha: nianatra tao amin’ny sekoly ambony INSCAE, mbola nanao “marketing” sy “management” tany Paris, hainy izany ny resaka toekarena sy fitantanam-bola sy , hainy ihany koa ny resaka fitantanana. Ilay fitondrana ankehitriny anefa toa tsy mahay mandrindra asa intsony, misavoritaka, ka toa omen’i Mialy Rajoelina lesona an-kolaka. Ny Ministeran’ny Mponina aza toa takony tanteraka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT