Politique

Miakatra ny maripana politika Nitory eny amin’ny HCC ireo loholona


  • Talata 08 Septambra 2020

Manoloana ny fahitan’izy ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mahakasika ilay volavola-dalàna laharana faha 001/2020, dia nanatitra taratasy fitoriana tamin’ny fepetra narahina mahakasika ny “texte à valeur legisl

 


ative” araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-118 ny Lalampanorenana tetsy amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana HVM ireo solotenan’ny Loholon’i Madagasikara omaly alatsinainy 07 septambra 2020. Nitarika izany ny loholona Mamitiana Fabergé Gabriel. Nambaran’io Parlemantera io fa nanomboka tamin’ny famoahana ny vokatry ny fivorian’ireo vaomiera iraisana isasahana, dia efa nisy ny tsy fanarahan-dalàna izay nolazainy fa i Madagasikara dia « bicameral » ka ny tatitra izay nentina tany amin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta dia tokony tatitra voasonian’ny Filohan’ny parlemanta roa tonta. Manainga ny fanarahan-dalàna eto amin’ny tany sy fanjakana izahay satria ny mpitondra no tokony halain’ny vahoaka tahaka amin’ny fitondrana ny firenena, hoy ny Loholona Mamitiana Fabregé. Manoloana ny fifidianana Loholon’i Madagasikara sy ny fomba nitsinjarana ny isany, dia nambarany fa tsy maintsy miady ho an’ny faritra izy ireo, tsy mifanaraka amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy eny anivon’ny faritra no nanaovana azy. Tsiahivina anefa fa ny 04 septambra teo no namoaka fanapahan-kevitra mitondra ny laharana N°15-HCC/D3 ny HCC, izay nilaza fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny fomba nentina nandaniana ilay lalàna 001/2020 ary azo hamoahana didiy fampiharana amin’izay.
Andrasana izay ho tohiny amin’ity ady ambony latabatra amin’ny resaka lalàna ity. Efa nisy ny vondrona parlemantera naneho fa hiady amin’ny famerenana ny tany tan-dalàna, izay ahitana ireo depiote sy loholona avy amin’ny mpanohitra. Mitovitov amin’izao ny raharaha depiote 73 tamin’ny aprily 2018, niainga tamina fifandirana momba ny fandanian-dalàna teny amin’ny antenimiera, nandeha teny amin’ny HCC, ary niafara teny amin’ny 13 mey. Asa izay hiafaran’ity fifandirana ity !

Toky R sy Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT