Politique

Miakatra ny maripana politika Hovaina miaramila ny praiminisitra ?


  • Alarobia 04 Martsa 2020

« Tsy ny fanoloana praiminisitra ho miaramila no vahaolana Atoa Filoha fa mitoera tsara aloha dia manaova fandinihana lalina.

 

 

 

Misy mpamadika ao ». Io no fanehoan-kevitra iray nataona minisitra teo aloha tao anatin’ny fanjakana HVM. Misy resaka fikotrehana fanoloana praiminisitra ve izany miainga any matoa misy mpanao politika mamoaka io fanehoan-kevitra io ? Efa noresahina teto tamin’ny  herinandro ambony fa mampiahiahy ny fivoriana tsy ara-potoana tampoka ho an’ny antenimiera manomboka anio 4 martsa handaniana ireo lalàna nolanian’ny filoha tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana fony tsy nisy antenimieram-pirenena, izay afaka miandry fivoriana tsy ara-potoana. Andrasana izay hiseho satria efa nisy rahateo ny feo nandeha sy ny loharanom-baovao mombana fanangonan-tsonia efa nahatratra 71, izay nolavin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena ny fisiany. Toa mifameno anefa ilay fanehoan-kevitra nataona minisitra iray teo aloha sy ny mety hiseho etsy amin’ny antenimiera. Miverina any amin’ny fitondrana tetezamita ny sary raha hiova ho mpitandro filaminana ambony no ho praiminisitra. Rehefa nafana ny toe-draharaha tamin’ny tetezamita, dia nihenjana kokoa ny fanjakana HAT notarihin-dRajoelina, ka nanala an’i Monja Roindefo izay notendrena teny amin’ny 13 mey, ka enim-bolana sy 23 andro monja (17 martsa 2009-10 oktobra 2009) dia nesorina. Nandeha ny tsindry sy ny adihevitra momba ny krizy teto Madagasikara, ka voatery tsy maintsy niditra tamin’ny tondrozotra sy ny marimaritra iraisana, ka tapaka fa hapetraka ho praiminisitra ny Pr Mangalaza Eugène saingy toa notsipahin’ny HAT satria ny 10 oktobra 2009-20 desambra no teo, ka nametraka ny Kolonely Camille Vital, izay nakarina Jeneraly ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina avy eo ny 20 desambra 2009-2 novambra 2011. Voatery nesorina rehefa nandeha ny adivarotra politika, ka ny praiminisitra Jean Omer Beriziky no namarana ny tetezamita. Mafampana ny toe-draharaha matoa miaramila no homena fahefana hitantana ny fahefana mpanatanteraka ka ny fifehezana ny fahefan’ny mpitondra no tena zava-dehibe amin’io, fa tsy ny fanatanterahana ny programam-pampandrosoana. Tena hiroso amin’izany tokoa ve ny filoha Rajoelina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT