Politique

Mgr Ludovic Rabenatoandro “Tsy azo ampiasaina amina hetsika politika ny tanin’ny Katolika”


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Nanao fampitam-baovao fanindroany omaly ny Fiangonana katolika tamin’ny alalan’ny

 


Vikera Jeneralin’ny Diosezin’Antananarivo Monsenera Ludovic Rabenatoandro, fa tsy azo ampiasaina amina hetsika politika ny toerana nandraisana ny Papa Fransoa eny Soamandrakizay, izay an’io Fiangonana io. Miantso hatrany ny tsy hampiasana ny sarin’ny toerana sy hotely nanaovana ny lanonana ara-pivavahana. Tsy afaka hanaovana hetsika hafa, afatsy ny an’ny fiangonana ihany. Mifefy ny eny an-toerana, ary nohamafisina ny maha toerana an’ny tsy miankina azy, nampiana sora-baventy maneho fa fananan’ny tsy miankina ka tsy azo hidirana, hoy ny fanazavana. Ny fisiana hetsika politika amin’ny sabotsy moa no anton’io fanamafisana io, saingy raha ny voalazan’ireo depiote TIM dia tsy nanana eritreritra ny hampiasa ny tanin’ny Fiangonana izy ireo, fa ny toerana malalaka eo akaikiny satria malalaka be sy mizara maromaro ny eny an-toerana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT