Politique

MFM Analamanga Tsy misy hasiny ny Repoblika IV


  • Alarobia 22 Desambra 2010


Nanamarika ny herinandro lasa teo ny nanaovana fety nakotroka hoe hidiran’i Madagasikara amin’ny Repoblika faha-4. Ny fahalanian’ilay lalàmpanorenana no nitondra antsika ho amin’izany ‘fiovana’ izany. Fihetsiketsehana goavana sy maro no nataon’ny FAT nanerana ny nosy nanamarihana izany. “Anisan’ny mahamaika ny FAT amin’ny fidirana amin’ny Repoblika fahefatra ny famafana mba hanadinoan’ny rehetra ny fanonganam-panjakana nataony”, hoy i William Randriamahaleo, mpitarika ny MFM Analamanga. Tsy lanim-bahoaka, hoy izy fa natao letrezana fotsiny ny lalàmpanorenana anorenana izany Repoblika vaovao izany.

Vokany dia tsy misy hasiny ny Repoblika fahefatra. Momba ny fiarahan’ny Ankolafy Telo indray dia nambaran’ity mpanao politika ity fa hatrizay dia efa vonona handray anjara amin’izay fifanarahana izy ireo. Ifanarahana vokatry ny tenierana, hoy ihany Randriamahaleo. Tsy azo ekena kosa anefa ny “tsy misy fepetra na ny sans condition”, hoy ihany izy. Nantitranteriny fa fepetra takian’ny ankolafy hisian’ny dinika ny fandraisan’ny rehetra anjara, ny tenierana ary ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka sy ny fiverenan’ireo filoham-pirenena roalahy an-tanindrazana. Fa ankoatra izay dia takian’izy ireo koa ny hisiana fifanarahana mazava ny amin’izay fe-potoan’ny tetezamita sy ireo tetiandrom-pifidianana. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa dia manao taritokana hatrany ny FAT na dia teo aza ny sazy, ny fampitandremana nataon’ireo firehana isan-tsokajiny na ny eto an-tanindrazana na ireo avy any ivelany. Ny ampitso no hamaritra ny hoavy. 

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT