Politique

Mektoub El Camille “Kabary fitiavan-tena ny an-dRajoelina”


  • Talata 18 Janoary 2011


Notsindrian’ireo nandaha-teny tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly alatsinainy 17 janoary ny tokony hisian’ny firaisankina eo amin’ny Zanak’i Dada miaraka amin’ny Ankolafy Telo. “Aleo tsy hisy hifanao andolom-po raha misy hevitra kely tsy mitovy”, hoy Rtoa Bodo solontenan’ny “Union Fihavanana”. “Ny firaisankina fa tsy ny fihatsaram-belatsihy no hampiverina ny Filoha Marc Ravalomanana”, hoy ny Depiote Raharisaina nanamafy ny voalazany. Fa hafatra politika lehibe kosa no nentin’ny Depiote Camille Mektoub ka nilazany fa “zana-drano isika ka tsy mila “bouées de sauvetage” araka izay nambaran’i Andry Rajoelina. “Sambo very tanjona io sambo io”, hoy ihany izy nanampy izay, “satria tsy manana “boussole” intsony”. Nohitsiany aza fa “kabary fitiavan-tena ny an-dRajoelina, fa raha tena tia tokoa ny firenena izy dia tokony ho ny vahoaka tena sahirana noho ny fampanantenana poakatin’ny vary 500 ariary ny kilao sy menaka 2000 ariary ny litatra no homena “bouées de sauvetage” fa tsy ny mpanao “politika mpitady seza sy tombontsoa manokana”. 

Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT