“Tsy hisy fifidianana izany eto raha tsy tafaverina eto i Marc Ravalomanana, koa dia fampandriana adrisa ny ankoatra izay”, hoy i Camille Mektoub, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Ny vahoaka malagasy, ny firenena, izay manana fianakaviana sy taranaka no mila azy, araka ny fanazavany. Ankoatra izay, araka ny toromarika avy amin’ny profesora Zafy Albert dia tsy ho any Maputo izany ny tenany fa eto Madagasikara no tokony hifampiresaka fa tsy any ivelany. Rehefa tonga ihany koa i Marc Ravalomanana vao mifampiresaka sy mifampidinika, hoy ihany ny Pr Zafy Albert, araka ny fanazavana.
Nambaran’i Camille Mektoub fa ankoatra ny fahatongavan-dRavalomanana dia tsy hisy fifidianana koa eto raha tsy tanteraka ilay hoe “vérité et réconcialiation” na ny filazana ny marina rehetra dia avy eo fampihavanana. Ny mpanongam-panjakana no namotika ny firenena ka tokony ho hitan’izao tontolo izao, hoy izy. Momba ny vonomoka atao ny Malagasy any Atsimo dia nambaran’ity mpanao politika ity fa manana adidy ny tsirairay hiteny, hitsangana, hilaza ny tsy mety.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.